Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Ambanidia – Môtô nifandona tapa-tanana ny iray

Tapa-tanana ny mpitondra môtô iray nidoboka teny amin’ny sampanan-dalan’Ambanidia omaly. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nodomin’ny môtô iray hafa avy ao aoriana izy raha iny nitsoriaka handeha maika iny satria nahazo lalana. Mpiara-miasa ihany koa ireo mpifandona ireo ary efa zatra miara-dalana saingy tsy fitandremana kely vokatry ny hamaikana no niteraka ny loza. Nentina tany amin’ny hopitaly haingana ilay naratra satria nahitana fivontosana ny tanany. Karazan’ny nisy taolana vaky tao rehefa notarafina tamin’ny fitaovana manokana momba  izany. Naneho indray ity tranga omaly ity fa tena fitaovam-pitaterana mampidi-doza ny môtô. Tsy ireo jiolahim-boto sy ny mamolava ihany no maratra sy maty amin’ireny fiarakodia kodiaran-droa ireny fa na dia ireo olona matotra sy mitandrina tsara aza dia lasibatra  ihany koa, toy ny nahazo ity ranamana ity. Saika ho isan’andro dia misy olona adoboky ny môtô foana eto an-drenivohitra. Tsy misy fitsirihana teknika rahateo ireny fitaovam-pitaterana ireny ka izay ihany koa no tena mahatonga ny loza.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre