Andoharanofotsy – Polisy mpiana-draharaha no lehiben-jiolahy
Mpamosavy malemy ka ny mpiray tanàna ihany no aripaka. Polisy iray mpiana-draharaha sy ny dadany no voasarangotra amin’ny asan-jiolahy mitam-piadiana eny Andoharanofotsy. Alika mpitsongo dia no nahatratrarana azy ireo. Niantso zandary mantsy ny fianakaviana voatafika ka nitondra alika ireo mpitandro filaminana. Nivantana avy hatrany tao an-tranon’ilay polisy ilay alika rehefa nanara-dia ny fofon’ireo jiolahy avy nangalatra. Noraisim-potsiny ilay polisy ahiahiana ho mpiray tsikombakomba amin’ny jiolahy. Nahitana basy sy bala ary akanjon’ny zandary rehefa nosavaina ny tranony. Nisy kasikety maromaro natokana ho an’ny mpitandro filaminana ihany koa tratra tao. Raha ampitahaina ny fitarainan’ireo olona efa voatafika dia tena mitovy ami’ireo fanamiana sy fitaovam-piadiana fitondran’ireo jiolahy mpanafika mihitsy ireo tratra tao amin’ilay polisy mpiana-draharaha ireo. Tao anatin’ny iray volana monja dia fanafihana mitam-piadiana miisa 4 no nitranga tao Andoharanofotsy ka heverina ho andian-jiolahy iray ihany no manao izany. Mitovy avokoa mantsy ny fomba fanafihan’izy ireo. Rehefa tafiditra an-keriny ao an-trano ry zalahy dia mamoaka basy mandrahona ny tompon-trano mba hanome izay takiany rehetra. Miisa 8 ireo jilahy ka misy misaron-tava ary misy mampiseho tarehy. Ny sasany kosa manao fanamiana mpitandro filaminana.
Dom