Diplaoma baoritra fotsiny
Tontosa tsy nisy tomika ihany ny fanadinam-panjakana rehetra tamin’ity taona ity na dia efa be aza ny resaka nifamahofaho manodidina izany. Ny Cepe izay naha lasibatra ny ankizy madinika satria herinandro mialohan’ny fanadinana dia efa nanao rahom-bava sy fampihorohoroana ireo mpampianatra fa tsy handray anjara amin’ny fizotry ny fanadinana. Efa an-katoky ny andron’ny Cepe mihitsy izay ireo sendikan’ny mpampianatry ny Epp sy Ceg vao mody nanalefaka fiteny ary hoe hiverina hiasa mba tsy hanasaziana ny ankizy tsy manan-tsiny. Efa nihorohoro sy nitebiteby saina anefa ny zaza mpanala fanadinana sy ny ray aman-dreny, izay natahotra sao tsy hisy ny Cepe ary hita taratra tany amin’ny vokatra izany. Nihena be ny taham-pahafahana tamin’ity taona ity ary azo lazaina fa anisan’ny ambany indrindra tato anatin’ny 10 taona farany. Tsy te ho diso ihany koa ny Fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka nitondra fanazavana izay tsy naharesy lahatra ny rehetra akory. Nolazaina fa nampakarina ny lanjan’ny fanadinana sy ny fomba fitsarana ka izany no nahabetsaka ny tsy afaka. Tsy mitombina io rehefa atao ny fandinihana satria ireo mpianatra teny amin’ny sekolim-panjakana ihany no tena lasibatra sy be tsy afaka. Ireo ankizy mianatra amin’ny seokoly tsy miankina anefa nahita taham-pahafahana 100% toy ny isan-taona ny ankamaroany. Midika io vokatra mifanipaka io fa maivana be ny lanjan’ny fampianarana eny amin’ny sekolim-panjakana. Rano araraka andamosin-gana fotsiny ny volabe amina miliara nolaniana handraisana mpampianatra mpiasam-panjakana sy ny tan-tsoroka samihafa fa ny vokatra dia « aotra » araka ny fitenenana.
Tsy ny Cepe ihany anefa no nitrangan’ny vokatra tsy lojika fa ny Bepc ihany koa. Sambany tamin’ny tantaran’ny fampianarana malagasy no nisy izany hoe ny tahan’ny afaka Bepc indray no ambony noho ny an’ny Cepe tamin’ny toerana sasany. Raha ny fandinihina tsotra dia natao mihitsy izay hampiakarana ny taham-pahafana Bepc teto an-drenivohitra sy ny manodidina satria afa-baraka ny minisitera mpiahy raha mitontongana hatrany ny vokatra. Manaporofo ny tsy mampitombina io vokatra heverin’ny mpanara-baovao ho namboamboarina io ny taham-pahafahana avy any amin’ny faritany. Betsaka tamin’ny faritra eto Madagasikara no tamin’ity herinandro ity na tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa iny vao nivoaka ny voka-panadinana Bepc ary hita fa tena nihena be sy ambany dia ambany izany. Nisy zara raha nahatratra 18%n’ny mpiadina no afaka Bepc, ary nisy mihitsy mbola ambany noho izany satria tany amin’ny 17% tany ho any. Tena mampiseho ireo vokatra ireo fa tsy nifanalavitra tamin’ny fari-pahaizan’ny mpanala Cepe ihany ny an’ny mpanala Bepc, izany hoe nitontongana be.
Ho hita eo indray izay hafitsoky ny bakalorea rehefa hivaly eo satria io dia ahitana taratra ny stratejian’ny mpitondra Fanjakana hatrany. Raha ny lojika aloha no jerena dia tsy maintsy hihena be toy ny an’ny Cepe sy ny Bepc hatrany ny fahaizan’ny mpanala bakalorea saingy azo ampiakarina kosa ny taham-pahafahana amin’ny alalan’ny fandrosoana laza adina tsy dia sarotra na ihany koa ny fanalefahana ny fomba fitsarana. Ho hita eo raha ho sahy hamoaka valim-panadinana mifanandrify marina amin’ny fahaizan’ny mpianatra ny Fanjakana na hanao izay hampakarana ny taham-pahafahana mba hanehoana amin’ny vahoaka fa miasa tsara ary mahita vokatra tsara.
Na inona na inona anefa mitranga eo dia diplaoma baoritra avokoa no azon’ireo afa-panadinana satria tsy ampy hitadiavana asa akory. Ny mpianatra nahavita fianarana ambony izay nahazo diplaoma avo lenta avy eny Ankatso aza zara raha mahita asam-boto koa entina ho aiza izay Cepe sy Bepc ary bakalorea. Mitovy ihany ny afaka sy ny tsy afaka !
Ravalo tsy Manana