Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Alaotra – Sarona ny tovolahy iray mpangala-jaza

Zaza efatra taona eo ho eo no nangalarin’ny tovolahy iray izay manodidina ny 25 taona tany ho any tao amin’ny zana-bohitra Tanamandroso fokontany Avaradrova avaratra kaominina Ambatondrazaka. Ny talata 02 aogositra 2016 teo no nisehoan’izany. Notambatambazin’ilay rangahy tamin’ny mofo  ilay zazakely ary nentiny avy hatrany. Nikoropaka ny tao an-trano rehefa tsy nahita ilay zaza ary nanao ny fikarohana. Napetraka avy hatrany tany amin’ny polisim-pirenena ny fitarainana ary ireto farany no nanao ny fikarohana. Tany amin’ny fokontany Ambohimasina vao hita ilay rangahy sy ilay zazakely ary avy hatrany dia notanana ilay olon-dratsy, izay salama saina tsara hoy ny mpitandro filaminana saingy tsy nety nilaza mihitsy izay antony na izay naniraka azy hangalatra ilay zaza izy. Natolotra ny fitsarana ny raharaha taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena.

Ange R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre