Ambatondrazaka – Voaroba ny 10 tapitrisa ariary saika hividianana mercure!
Mbola tantara mitohy hatrany hatramin’izao ny fisolokiana ataon’ny olon-dratsy mahakasika ny filazana ho manana merkiora ka naharoboka ity rangahy iray izay hividy izany. Avy any Antananarivo no nafaran’ny namany ho ao Ambatondrazaka ny lehilahy iray rehefa nahare fa misy merkiora any an-toerana. Natao ny fandresen-dahatra sy ny dokam-barotra ary raikitra fa hidina ifotony ilay rangahy niaraka tamin’ny volabe hividianana ilay entana. Saika nanaraka hatramin’ny ainy anefa satria nanambara izy fa lasan’ireo milaza ho manana ny entana ny vola teny aminy izay mitentina 10 tapitrisa ariary ka ny tsaroany farany dia izy nampisotroina ranon-javatra tsy fantatra. Tao ambany atsinanan’Atsimondrova, fokontany iray mandrafitra an’Ambatondrazaka kosa no nahitana azy efa tsy nahatsiaro tena intsony. Ireo tsara sitra-po sendra nahita no nampandre avy hatrany ny teny anivon’ny fokontany ary niara-nisalahy nitondra an-drangahy teny amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka. Amin’izao fotoana izao dia mbola manaraka fitsaboana ao an-toerana izy ary efa manomboka miverina tsikelikely ny toe-pahasalamany. Nanambara ny mpitsabo iray hatramin’ny fotoana nanoratana fa mbola tsy voamarina tsara na nopoizinina izy na nampatoriana tamin’ny alalan’ny fanafody mba hampalemy azy fa mbola eo am-panatanterahana ny asany izy ireo. Ny azo antoka dia ny nahazoana ny vola tany aminy no tena tanjon’ireo nanafatra azy fa tsy ny hivarotra merkiora akory. Marihina fa tsy vao sambany no nahitana tranga mitovy tsy misy valaka tamin’ity indray mitoraka ity tany an-toerana fa efa nisy ihany koa ny tahaka izany tany amin’iny lalam-pirenena faha-44 iny taona vitsy lasa izy.
Ange R.