Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Andramena – Mitodika any Singapour ny hoavin’i Madagasikara

Hiakatra fitsarana ao Singapour indray anio ny raharaha fanondranana bolabolan’andramena tsy ara-dalàna miisa 3 alina mahery avy aty Madagasikara. Na ny fitsarana any an-toerana aza dia tena sahirana satria tsy mitovy hevitra ireo tompon’andraiki-panjakana mifandimby amin’ny resaka fahazoan-dalana nomena ilay vahiny mpandraharaha nanondrana ireo azo avy aty Madagasikara ho any Singapour. Zava-dehibe ho an’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ity fitsarana hatao any Azia ity satria mety hipoitra eo avokoa ny marina rehetra ary hibaribary izay tena olon-dratsy amin’ny fanondranana ity harena sarobidy ity. Eto amintsika mantsy dia iaraha-mahita fa malemy ny Fanjakana ary tsy mahatapak’ahitra manoloana ny fepetra tokony ho raisina mba hampiatoana ity trafika ity. Lasa fitaovana fifanenjehana ara-politika sy fanalam-baraka mpandraharaha fotsiny ny ady amin’ny fanondranana andramena fa tsy hita izay vokatry ny fanadihadiana sy ny politika napetraky ny Fanjakana. Ny tena mahagaga ny vahiny dia ireo olona sahy mijoro mitoroka izay heverina ho voarohirohy amin’ny andramena indray no maro amin’ireo nampidirina am-ponja fa tsy ireo ahiahiana ho mpanondrana. Efa im-betsaka ny Fanjakana no nanova ny minisitry ny Tontolo iainana saingy niala maina avokoa izay olona natao teo satria tsy nahavita na inona na inona akory.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre