Asa sikotra – Hazo halatra avokoa no ampiasaina
Hazo tsy ara-dalàna, izany hoe nalaina antsokosoko avokoa no ampiasain’ireo mpanao asa sikotra any Ambositra. Tsy sitrapon’ireo mpanao asa tanana akory ny hampiasa akora halatra saingy kosa ny rafitra mipetraka no manery azy ireo hanao izany. Hentitra dia hentitra mantsy ny minisiteran’ny Ala sy ny mpitandro filaminana amin’ny fandrarana ny fitrandrahana hazo any anatin’ny faritra arovana. Any anaty alabe any anefa no misy ireo hazo tena tsara kalitao fampiasa amin’ny asa sikotra mampalaza an’Ambositra sy ny manodidina izy. Tsy misy ny fahazoan-dalana mivoaka ka mampitombo isa ny mpijirika izay manapaka hazo antsokosoko ka mivarotra ireny eny amin’ny tsena maizina. Kendan’ny nasesiky ny tanany ihany anefa ireo mpanao asa sikotra satria zatra ny nanapaka hazo fotsiny fa tsy mba miaro ny ala no tsy mamboly hazo ihany koa. Na izany aza dia mila politikam-panjakana matotra izy ireo hanatanterahany ny asany satria vakoka ny asa sikotra ary mitahiry ny kolotsaina nentim-paharazana izay mampiavaka iny faritra iny.