Farafangana – Mpianatra 35 najanona tsy niatrika ny fanadinana bakalorea
Mpiadina miisa 35 no tsy nahazo nanohy hatramin’ny farany ny fanadinana bakalorea tany Farafangana. Fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitry ny foibem-panadinana io noho ny fahatsapany fa nisy ny tsy fanarahan-dalàna nataon’izy ireo. Voalohany tamin’izany dia zatovo miisa 15 no voahidy tany ivelan’ny vavahady noho ny fahatarana ny alarobia tolakandro. Voalazan’ny tompon’andraikitra fa tsy sanatria halako bika tsy tiko tarehy no natao fa fampiharana ny lalàna satria efa tara nihoatra ny 15 minitra ireo mpiadina ireo ka tsy noraisina intsony. Mpiadina hafa miisa 20 ihany koa no voaroaka tsy nahazo nanohy ny fanadinana bakalorea, tao amin’io foibe io ihany, noho ny filazana fa nanao hosoka na naka tahaka izy ireo. Mandà hatramin’ny farany ny fiampangana azy anefa ireo ankizy ireo ary milaza fa tsy rariny sy fanaparam-pahefana no nihatra taminy ka hangatahin’izy ireo vahaolana avy amin’ny tompon’andraikitra ambonimbony kokoa. Fatiantoka tsy toko tsy forohana mantsy no mianjady amin’ireo mpianatra ireo satria tsy ho afaka bakalorea izy ireo. Ankoatra ny herin-taona very maina dia vola an-tapitrisa ihany koa no lanin’ireo ray aman-dreny namatsiana ny fianarana. Atahorana hiteraka savorovoro ao Farafangana ity raharaha ity satria fianakaviana miisa 35 no voakasika ary milaza ny tsy hanaiky lembenana.
Dom