Fiaraha-miasa mitondra mpampihorohoro
Nanaitra ny maro ny filazan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena fa na i Madagasikara ihany koa aza dia anisan’ny firenena mety ho tratran’ny asa fampihorohoroana toy ireo mitranaga any amin’ny firenen-dehibe. Marina tanteraka io tenin’ny minisitra io satria izay rehetra mifandray tendro amin’ireo firenena tandrefana dia anisan’ny lasibatr’ireo lazaina fa mpampihorohoro maneran-tany ihany koa. Rehefa tena jerena anefa dia azo sorohina tsara io risika io satria isika dia firenena milamina ary tsy mba mpitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny hafa. Izany hoe tsy manana olana velively amin’ireo sokajiana ho mpampihorohoro iraisam-pirenena ny firenena malagasy. Tsy mitsentsitra ny harena sy ny solika any amin’ny arabo sy afrika i Madagasikara. Tsy manafika ny Fanjakana islamika ary tsy manjakazaka any amin’ny firenena slamo ny malagasy ka tsy tokony hanana olana velively aminireo lazain’ny tandrefana fa mahery fihetsika. Raha ny fitondran-tenan’ny malagasy manoloana ny fifandraisana amin’ny vahiny dia tsy tokony ho anisan’ny firenena hiahiahy fa mety ho voan’ny asa fampihorohoroana iraisam-pirenena isika.
Indrisy anefa fa ny politika ivelany asehon’ny fitondram-panjakana malagasy dia mitarika atsika hanam-pahavalo. Misolelaka loatra amin’ireo tandrefana mantsy ny fitondrana ka lasa manangam-pahavalo tsy fidiny. Tena laharam-pahamehana sy ireharehan’ny mpitondra mihitsy ny fahatsaran’ny fifandraisany amin’ireo vahiny lazaina fa mpiara-miombon’antoka ara-toekareana sy ara-bola ka io antony io no mety hanasokajian’ireo lazaina fa mpampihorohoro fa anisany mpiray tsikombakomba amin’ny tandrefana i Madagasikara.
Anisan’ny risika voalohany mety hisian’ny asa fampihorohoroana eto amintsika io fandraisana ny fivoriamben’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay amin’ny volana novambra io. Ho betsaka ireo lehibem-panjakana vahiny efa halan’ny mpampihorohoro ho avy eto Madagasikara ary ahiana mihitsy ny hisian’ny fanapoahana baomba sy ny karazany amin’io fotoana io. Ny tena loza dia ny vahoaka malagasy no ho faty sy ripaka eo raha sanatria mitranga izany. Tsotra ny antony : tsy maintsy ho faran’izay hentitra ny fitandroana ny filaminana sy ny fiambenana ireo vahiny sy ny toerana alehany. Kely dia kely ny herijika hahafahan’ny mpampihorohoro hikitika ireo vahiny. Ny vahoaka malagasy kosa anefa, indrindra ny eto Antananarivo dia iaraha-mahalala fa zara raha misy ny fepetra raisina hiarovana azy. Izany hoe ny vahoaka madinika tsy misy hifandraisany amin’izany frankofonia izany no ho lasibatra raha sanatria misy io fampihorohoroana io.
Efa niaraha-nahita rahateo tamin’ireny grenady nipoaka teny Mahamasina tamin’ny 26 jona ireny fa tsy mbola lavorary ny paikady fiarovana ny vahoaka eto amintsika. Tsy nahasakana ilay olon-tsy vanona nanapoaka ilay grenady mantsy ny fisavana sy ny fepetra rehetra efa noraisina mba hisoroahana ny zava-doza toy ireny. Mandraka ny anio dia tsy hita izay vokatry ny fanadihadiana mahakasika ilay nanapoaka baomba na ny mpiray tsikombakomba aminy. Ny azo antoka aloa dia mboal miriaria any izay atidoha nikotrika sy tanana nanipy ilay grenady ary mbola loza mitatao ho an’ny vahoaka izy ireo.
Tsy manana hery hiadiana amin’ny mpampihorohoro sy ny asa fampihorohoroana ny Fanjakana malagasy saingy misy ny fomba hahafahana misoroka izany. Tsy miady aman’olona fa mitady ny fomba rehetra hamahana am-pilaminana ny olana sy ny tsy fitovian-kevitra. Ny fifampiresahana sy ny fihainoana ny hafa no fomba hahatongavana amin’izany. Tsy miditra amin’ny raharahan’ny firenena vahiny ihany koa ka miseho ho maka ankolafy rehefa misy zava-mitranga any ivelany any. Tsy misy dikany raha izay hevir’i Madagasikara manoloana ny raharaha iraisam-pirenena fa vao mainka mamorona fahavalo ho antsika fotsiny. Raha manam-pahendrena isika dia mifantoka tanteraka amin’ny fikatsahana tetikady mahomby hampihavanana ny samy malagasy sy hampandrosoana ny firenena fa tsy handany andro hisolelaka sy handadilady amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay tsy mahafoy ny vola ilain’i Madagasikara ho an’ny asa fampandrosoana fotsiny. Tsy hatahorana hisy asa fampihorohoroana izany eto raha mahay mitondra tena ny Fanjakana.
Ravalo tsy Manana