Alaotra – Midangana ny vidin’omby
Miakatra izaitsizy ny vidin’ny omby velona amin’izao fotoana izao hoy ireo mpivaro-kena ao Alaotra. Vokatr’izany dia tsy maintsy mampiakatra ny vidin’ny henomby ihany koa izy ireo. Nambaran’ireo mpisehatra eo amin’ity asa ity fa betsaka ny mpikarakara raharaha na ara-drazana izany na fora zaza izay mifaninana mamono omby ka mahatonga ny mpivarotra omby velona hanararaotra eo amin’ny vidin’izy ireny. Hatrany am-potony izany hoe any amin’ny tsenan’omby dia efa ahitana io fiakaram-bidy io hoy ihany ireo nanaovana ny fanadihadiana. Io fiakaram-bidin’ny omby velona io ihany koa anefa no voalaza fa mampirongatra ny halatr’omby ao Alaotra ao amin’izao fotoana izao. Voalaza anefa fa manampy io firongatry ny halatr’omby io ny fahamaroan’ny mpikarakara raharaha izay mitady omby mora ka na omby maloto aza dia vidian’izy ireny foana. Marihina fa nampiteny ny moana ny asan-dahalo tao ho ao ka na an-tsaha na an-tanàna samy tsy nandry avokoa.
Ange R.