Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Ambohimahasoa – Lehiben’aomby no atidohan’ny fanafihana

Mpandraharaha malaza amin’ny sehatry ny omby no voalaza fa tompon’antoka tamin’ilay fanafihana taksiborosy izay niseho farany teo tany Ambohimahasoa. Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ihosy io lehilahy io ary maro ireo nijoro vavolombelona fa nahita azy nanara-maso akaiky ilay fiara voatafika nialohan’ny niaingany teo amin’ny toby fiantsonana. Raha ny filazan’ireo mpandeha voatafika sy ny mpanera ary ny mpamily ao Ihosy dia nahafantatra tsara ny fisian’ny volabe nentin’ny ramatoa iray tao anaty fiara io lehilahy io satria nitsikilokilo ilay mpandeha mandra-pandehan’ilay fiara.  Nitodika tany aminy, noho izany, ny fanadihadiana ary efa nosamborin’ny zandary izy hanaovana ny famotorana. Misy milaza anefa fa efa mirehareha sahady ity voarohirohy ity fa tsy higadra velively satria mahitahita sy mahalala olona. Milaza ho tsy matahotra ny fitsarana izy ary manendrikendrika mihitsy fa misy tompon’andraikitra ambony miaro azy any ho any. Miandry fatratra ny tohin’ny raharaha ireo lasibatra sy ireo vahoakan’Ihosy hijerena na mitombina tokoa izany rehetra izany na tsia.

Raha tsiahivina dia taksiborosy iray avy any Ihosy hiakatra aty Antananarivo no notafihin’ny jiolahy vao maraim-be teo Ambohimahasoa. Nosakanan’izy ireo tamin’ny vato be teo amin’ny lalana ka vao nijanona ilay mpamily dia maty ilay fiara ary tsy nety velona intsony na dia saika hiverina hitsoaka aza. Tsy nisy azo natao intsony ka nandositra nivoaka ny fiara ny mpamily sy ny mpandeha sasany. Nisy kosa mpandeha iray anisan’ny tafajanona tao anaty fiara no voaroba vola be tamin’io fotoana io.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre