Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Sainte Marie – Sahirana ny mpizahatany fa ritra ny solika

Tsy nahitana solika ny toby fivarotana izany tany Sainte Marie omaly maraina. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga izany na fahataran’ny famatsiana na fandaminana manokana. Ny vokany no nisongadina satria sahirana tamin’ny fitaterana ny mponina any an-toerana indrindra ireo mpandraharaha amin’ny fitaterana mpizahatany. Ao anatin’ny fotoana tena mampiroborobo azy tanteraka mantsy amin’izao fotoana izao ny fitsidihana an’i Sainte Marie. Tsy ny vahiny avy any ivelany ihany no mirohotra any amin’ity nosy manan-daza ity fa indrindra indrindra ny teratany malagasy ihany koa. Tao anatin’ny taona vitsy nifandimby dia hita fa tena miarin-doha ny fizahantany ao Sainte Marie. Ny olana goavana sedrain’ireo mpandraharaha dia ny risika matetika handalovan’ny andro ratsy izay manimba ny fotodrafitrasa natsangana. Mbola vato misakana ihany koa ny fandaminana sy fandrindrana ny fitaterana an-dranomasina. Vao tamin’ity herinandro ity no nisy sambo lehibe iray tsy hita popoka tany akaikikaikin’i Sainte Marie tany. Nisy sambo hafa ihany koa very saingy efa mba hita ary tsy naninona ireo mpandeha tao aminy. Voalaza fa voan’ny vato io sambo io ka tsy afa-nihetsika ary tsy maintsy niandry ny mpanavotra vao afaka niala teo amin’ilay toerana nampihitsoka azy. Ilay iray hafa kosa tsy mbola nandrenesam-baovao nefa voalaza fa nitondra olona sy entana betsaka.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre