Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Morondava – Feno tanteraka ny trano fandraisam-bahiny

Tsy mahita trano hatoriana intsony ny mpiala sasatra raha toa ka tsy nanao famandrihana mialoha. Any Morondava no misy izany satria tena ifandrombahan’ny mpitsangatsangana sy ny mpizahatany any an-toerana tamin’ity fotoam-pialan-tsasatra ity. Tsy mbola very laza i Morondava na maro aza ireo toerana manerana ny Nosy toa an’i Mahavelona, Mahajanga, Nosy be ary Taolagnaro izay tena miezaka mafy hampiroborobo ny isan’ny mpiala sasatra any aminy. Anisany tena mahasarika ny maro ho any Morondava ny fandalovana eo amin’ny lalan’ny Baobab izay tokana an-tany. Ho an’ireo mpizahatany vahiny dia toy ny tsy nandalo teto Madagasikara raha tsy maka sary eo amin’io toerana io. Araka ny fanazavan’ireo mpiantsehatra amin’ny lafiny fizahatany dia tena  niakatra be ny isan’ny olona nandeha niala sasatra tamin’ity taona ity. Tsy ny vazaha irery fa ny gasy ihany koa no tena mameno ireo toerana malaza rehetra manerana ny Nosy.  Fantatra fa nisy ny ezaka nataon’ny Fanjakana sy ireo tompon’andraikitra ifotony hanamboamboarana ny lalana mba ho azo aleha. Mandany hatramin’ny 2 tapitrisa Ariary latsaka ny fianakaviana kely iray raha hiala sasatra ao anatin’ny herinandro. Ny hofan’ny fiara tsy mataho-dalana izay 1,5 hetsy ariary sy ny hotely izay eo anelanelan’ny 5 alina ka hatramin’ny 1,5 hetsy Ariary miampy ny vidin-tsolika no tena mandany vola.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre