Fanjanahantany tsy misy fiafarany !
Tamim-pahanginana tanteraka ny fankalazana ny faha 120 taona nitsengerenan’ny nanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara. Noezahin’ny Fanjakana malagasy notakotakoana mihitsy ilay tantara mampatsiahy fa ny 6 aogositra taona 1896 dia notifirin’ny frantsay tamin’ny tafondro ny lapan’i Manjakamiadana ka nanangana saina fotsy ny mpanjakavavy ary lasa zanatany i Madagasikara. Na iza manam-pahaizana ara-tantara sy politika ary toekarena dia tsy afa-mandiso fa io daty io no niantombohan’izao fahoriana rehetra mianjady amin’ny vahoaka malagasy mandrak’ankehitriny izao. Hain’ny frantsay tsara ny nametraka politika famoretana ny vahoaka malagasy mba hahafahana mitsentsitra tsara ny firenena. Mbola vitan’ny voanjo mpanjana-tany ihany koa ny nametraka ny zarazarao hanjakana sy ny fampiadiana ny samy malagasy tamin’ny alalan’ny famolavolana mpanao politika rajakom-bazaha izay manao ny fomba rehetra tsy hisian’ny firaisankina eto. Ny fametrahana ny fanavakavahana ny merina sy tanindrana moa manginy fotsiny manoloana izany rehetra izany. Betsaka ny malagasy tia tanindrazana no niezaka ny hijoro ho fanavotana ny firenena eo ambany vahoan’ny mpanjanaka nefa toa ra very maina sy aina nafoy fotsiny izany tolona izany fa tsy nahomby noho ny fisian’ireo mpamadika sy mpisolelaka tamin’ny frantsay. Nisy ny menalamba fa toa anarana sy tantara sisa no tena , mampiavaka azy fa tsy naharesy tosika ireo « vazaha », teo ihany koa ny Vy vato sakelika sy ny Sadiavahy fa tsy nahomby nanoloana ireo voanjo. Ankoatra ireo dia tena nalaza ny Mdrm izay nosokajiana ho angady nananana sy vy nahitana ny fahazoana ny fahaleovantena ara-taratasy saingy rehefa tena nojerena taty aoriana dia nahazo tombontsoa be tamin’ny vazaha ireo mpitarika ny Mdrm ary saika tsy nonina teto Madagasikara akory fa tany Frantsa rehefa azo ny fahaleovantena. Matimaty fotsiny ireo niady ho an’ny tanindrazana tamin’ny 1947 fa ny mpitarika ny Mdrm no nahazo tombontsoa voalohany tamin’ny vazaha.
Fampatsiahivana fohy ny tantaram-pirenena izay efa fantatry ny rehetra tsianjery ireo saingy somary hadinodino ankehitriny. Lany andro mifanome tsiny ny samy malagasy ary mifanaratsy sy mifandrafy nefa rehefa tena zohina dia mbola takaitran’ny homamiadan’ny fanjanahantany no mitranga amin’izao fotoana izao. Fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao na maoderina, hoy ny mpahay politika sy toekarena, ny fiankinan-doha amin’ny vahiny. Io politika fiankinan-doha amin’ny sehatra iraisam-pirenena io anefa no hampiharina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy miafina ary tsy menatra mihitsy ny mpitondra Fanjakana mamerimberina fa tsy hisy fampandrosoana vanona eto raha tsy miantso ny mpamatsy vola sy mpandraharaha vahiny. Tena efa mivaky ny mpitondra fa tsy mahavita mampandroso irery ity firenena ity miaraka amin’ny vahoaka malagasy fa tsy maintsy mila ny vahiny. Ireo rehetra iraisam-pirenena sy ny mpampiasa vola vazaha anefa iaraha-mahita fa tena mitsentsira sy manao ampihi-mamba ny fananan’ny malagasy fotsiny. Ireo mpampitrosa vola toa ny tahirim-bola iraisam-pirenena, ny banky iraisam-pirenena, ny vondrona eoropeanina sy ny amerikanina dia tsy mety manome izay vola ilain’ny Fanjakana malagasy entina hanatanterahana ny asa fampandrosoana akory. Vola kely toy ny ivin-tsaka raha oharina amin’ny nangatahina no mba hampitrosain’izy ireo nefa ny ampahany betsaka amin’izany dia hanakaramana ireo vazaha tsy haninon-tsy haninona rehetra avy any an-dafy any. Ny ampahany lasa any ampaosin’ny mpitondra Fanjakana ary ny ambiny kely no mba entina hananganana fotodrafitrasa tsy misy hidirany amin’ny fampidinana ny vidin’ny kapoakam-bary akory. Ireo lazaina fa mpandraharaha vahiny indray dia tsy manangana orinasa hamokatra sy hamoroana asa an-jatony maro akory fa hitrandraka ny harem-pirenen’ny malagasy fotsiny. An’ny malagasy ny harena an-kibon’ny tany rehetra eto Madagasikara ka tsy tokony homena ny sinoa sy karana ary vazaha sy afrikanina. Raha tena mpandraharaha ara-toekarena ireo vahiny ireo dia mila manangana orinasa, manodina akora fototra, ary mampiasa malagasy marobe sy mamokatra ka manondrana izany vokatra izany any ivelany mba hampitombo ny fampidiram-bola vahiny. Toa nofinofy ihany anefa izany rehetra izany satria efa karazan’ny lafo ambongadiny amin’ny vahiny i Madagasikara. 120 taona aty aoriana mbola zanatany foana !
Ravalo tsy Manana