Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ambatofotsy – Telo mirahavavy maty natelin’ny rano

Zazavavy miisa 3 manodidina ny 14 taona avokoa no maty natelin’ny rano teny Ambatofotsy gara ny tolakandron’ny zoma lasa teo. Raha ny tatitry ny zandary dia mpihavana akaiky izy ireo satria zanak’olona mpiray tampo avokoa. Nilomano teo amin’ny reniranon’i Sisaony, tokony ho 200 metatra miala ny tetezan’Ambatofotsy gara ireo zaza ireo izao tra-doza izao. Efa nisy an’ireo mpaka fasika mandeha lakana ihany  nampitandrina azy ireo fa misy lavaka lalina eo amin’io faritra io noho ny nanaovana biriky tamin’ny maintany tamin’ny taona lasa. Ireo ankizy moa efa zatra nilalao teo ihany ka tsy nanana tahotra loatra ary niroso hatrany. Nitranga tokoa ny nampoizina satria latsaka tao anatin’ilay lava-pasika izy telovavy ary tsy nisy olona sahy niroboka  nanavotra azy ireo fa nitazana sy nikiakiaka eny amoron-drano fotsiny ny rehetra. nantsoina ny pompier avy any Antananarivo ka tamin’ny 3 ora no tonga tany an-toerana. Antsasak’adiny taorian’ny fikarohana vao hita ny voalohany ka efa maty. Folo minitra taorian’izay koa dia hit any fatin’ireo zaza roa hafa. Azo lazaina fa tena loza mitatao ho an’ny fiaraha-monina mihitsy ny lava-pasika sy lava-biriky atao anaty renirano rehefa maintany.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre