Ampandrana – Mirongatra ny vaky trano sy fiara
Tao anatin’ny herinandro dia in-droa voatafika ny tokantrano iray teny Ampandrana Atsinanana. Mihanika tamboho ireo jiolahy ka rehefa tafidira ao an-tokontany dia mamaky lakozia sy mandroba fiara no ataon’izy ireo. Tamin’ny fanafihana voalohany dia fiara roa nijanona teo an-tokotany no lasibatra. Lasa ny fitaratra be eo aloha ny baterian’ny fiara iray. Ny fiara faharoa kosa dia ny fitaratra aoriana no nongotan’ireo mpangalatra ka lasa. Taorin’io dia mbola niverina indray ireo jiolahy ka lakozia indray no novakian’izy ireo ary fongana avokoa ny entana sy kojakoja rehetra tao. Voalaza anefa fa misy masera mipetraka tao amin’ny tompon’ilay lakozia vaky.
Ny tena nahagaga ny rehetra dia tena tsy re tsaika mihitsy ireo mpangalatra nefa mba toerana tsara fefy misy tamboho avobe ihany ilay tanàna voaroba ary misy vavahady mikatoba be ihany koa. Be olona ihany koa ao saingy tsy nisy nahare na inona na inona mihitsy tamin’ireo fanafihana in-droa miataona aireo. Tsy dia fahita teny amin’ny fokontany nitrangan’io vaky trano in-droa nisesy ity ary manahy ny mponina eny amin’ny manodidina fa misy andiana tontakely mihaodihaody sy manao hala-botry amin’ny alina. Ny tena mampivarahontsana ny mponina dia ny mety hivadihan’ity hala-botry ity ho fanafihana miam-piadiana. Matetika mantsy dia ireo tontakely mpanao hala-botry no misava lalana manao ny fitsirihana ny hidintrano sy ny hirika rehetra hanamora ny fanafihana. Rehefa azon’izy ireo antoka izany dia miditr an-tsehatra amin’izay ireo jiolahy mitam-piadiana mpiray tsikombakomba aminy.
Cassandra Kassie