Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Antanimena – Niharan-doza ny mpanal’azy

Nitera-doza ny fiaran’ny mpanal’azy vita baka sy ny mpanao zoma mahafinaritra ny zoma lasa teo. Fiara marika VW Tiguan mantsy no voadonan’ny Renault noho ny tsy fitandremana. Diso ilay VW hoy ireo nanatri-maso satria efa mamo ireo tovolahy rehetra tao anatiny ary nihodina tampoka tamin’ny fotoana tsy tokony hanaovana izany ka voadonan’ilay Renault. Tsy nisy naratra tamin’ity loza ity fa ny fahasimbana no goavana. Tamin’io zoma hariva io dia tena marobe ny tanora mamo nitondra fiara nefa tsy hita firy ireo mpitandro filaminana tokony hanara-maso izany.

9 Naratra teny Ambanitsena

Olona miisa 9 no indray naratra noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Ambanitsena Manjakadriana. Fiara marika Peugeot 305 no nidona tamin’ny Mazda mpitatitra tao anaty filohan-dalana ka nahatonga izany. Voalaza fa nangala-dalana avy any an-kavanana ilay fiara kely ka izay no niteraka ny loza. Samy nandeha mafy rahateo ny fiara roa satria teny amin’ny lalam-pirenena ka tsy afaka nosorohana ny loza. Nampiseho kosa anefa ity loza ity fa vokatry ny tsy fitandremana no nahatonga azy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre