Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Fiarakaretsaka – Nivoaka ny famantarana ireo tena izy

Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo mpitondra fiarakaretsaka manara-dalàna ary mankasitraka ny fanenjehana ireo mpanao jono botry. Nanazava ny sasany amin’ireo ara-dalàna fa anisan’ny mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana ireo taxy tsy ara-dalàna ary ireny ihany koa no manao ilay fomba fiara mitondra olona samihafa. Nampahafantarin’ireo tena mpitondra Taxi ireo famantarana ny tena izy dia ny lanterina misy soratra Taxi miaraka amin’ny laharan’ny licence, misy sorara TAXI mainty eo amin’ny varavarana, aloha, misy vinety karazany 2 eo amin’ny fitaratra alohan’ny fiara kany iray miloko fotsy avy any ivelany ary ny iray mangaraharaha avy any anatiny, farany dia miloko beige crème mazava miavaka tsara. Izay fiara mahafeno ireo fepetra ireo ihany no azo antoka fa tena ATXI ary tsy atahorana ho jiolahy na ihany koa hambotry ny mpanifa amin’ny tolotra tsizarizary nefa saran-dalana lafo dia lafo. Manao antso avo, ireo tena TAXI aradalàna mba tsy handeha amin’ireo fiarakaretsaka sandoka ny mpanjifa satria sady mamono ny asan’izy ireo ireny no mbola mitsentsitra tsy andrariny ny mpandeha ihany koa. Araka ny fantatra dia efa an-jatony maro ireo tsy aradalàna no voasambora saingy mbola maro ihany no mahita hevitra handosirana ny mpitandro filaminana ka manohy ny asa antsokosoko.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre