Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Manakara – Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny kopikole Black Nadia

Tao Ikianja Sahasiaka Manakara no nitranga ny savorovoro ny sabotsy lasa teo. Nisy fampisehona Black Nadia tamin’io fotoana io ka efa vory lanona ny mpijery satria hipoka tanteraka ny kianja. Tara be anefa ilay mpihira nalaza vao tonga satria efa nanomboka nimenomenona ny olona. Vao mainka diso fanantenana ireto farany rehefa niakatra an-tsehara ilay artista satria tsy tena izy no tonga teo fa ilay Kopikole. Tsy faly tamin’io famitahana nataon’ny mpikarakara io ny mpijery ka nigafy tamin’ny tora-bato sy ny fanimbana ny fanamafisam-peo ary ny zava-maneno efa vonona teny an-tsehatra. Nisy ihany koa ireo nirohotra hikasi-tanana ilay mpihira sy ny mpitendry mihitsy. Simba ny fitaovana sasany ary ilay kopikolye Black Nadia kosa dia nosamborin’ny mpitandro filaminana ka nentina tany amin’ny biraon’ny zandary ao amin’ny borigady Sahasinaka ihany. Voalaza fa mba ho fiarovana ny ainy no nandraisana io fepetra io. Notanana sy natory tao amin’ny zandary ilay kopikole ny sabotsy alina ka omaly alahady maraina vao nisy fiara tsy mataho-dalana naka azy tao ary nitondra azy mangingina nivoaka ny tanàna. Efa molamona tanteraka ny any an-toerana hatraamin’ny omaly na dia teo aza io hotakotaka be ny sabotsy io. Tsy fantatra kosa na efa nifanarahana tamin’i Black Nadia izy ity fampiakaran kopikole amin’ny anarany ity na tsia. Ny fantatra dia nanao fampisehoana tao amin’ny hotel le Glacier Analakely I Black Nadia sy ilay Afrikanina malaza mpiara-mihira aminy ny zoma alina. Hipoka olona ary tena fahombiazana tanteraka io fampisehoana io.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre