Malagasy tsy mahay mampinono
Nambaran’ny fitondram-panjakana fa hosokafana amin’ny fomba manetriketrika anio ny herinandron’ny fampinonoan-dreny. Raha ny antontan’isa anefa no jerena dia tsy nitsaha-nihena ny tahan’ny fampinonoan-dreny eto Madagasikara. Tsy vao izao no nisian’izany fa hatramin’ny krizy 2009 izay nampitotongana be ny faripiainan’ny malagasy. Nampanantena ny hitondra fanovana anefa ny mpitondra ankehitriny kinanjo vao mainka niharatsy ny tarehimarika. Na ny fanazavana entin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana aza dia tsy miova fa mitovy tamin’ny tetezamita ihany. Antony voalohany mampihena ny fampinonoan-dreny ny firosoan’ny vehivavy avy niteraka amin’ny sehatry ny asa ka tsy ananan’izy ireo fotoana hampinonoana ny zanany. Tsy mba fomban’ny malagasy mihitsy hatramin’izay izany tsy mampinono izany. Tsy ilaina ny fanazavan’ny manam-pahaizana avy amin’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana fa ny vehivavy malagasy dia efa mahay mampinono ny zanany ary mahafantatra tsara ny maha-zava-dehibe izany. Matoa izany mihena ny tahan’ny fampinonoana dia tsy manam-potoana ny reny fa sahirana amin’ny fitadiavana. Ny lalàna eto Madagasikara rahateo dia efa nilaozan’ny toetrandro satria 2 volana aorian’ny nahaterahana ny reny dia voatery tsy maintsy miverina miasa. Milaza ny handray andraikitra ny Fanjakana ka ny mba vahaolana narosony dia ny fanomezana soson-kevitra ho an’ny orinasa mba hametrahana toerana fampinonoana ho an’izay vehivavy vao avy niteraka. Mbola resaka any an-kibon’ny omby araka ny fitenenana anefa izany satria vitsy dia vitsy ny orinasa vonona ny hanaraka io soson-kevitra io. Tsy hisy rahateo ny sazy fa dia resaka moraly no be dia be. Raha ny tena tokony ho izy dia ny lalàna mihitsy no hovaina ka omena zo tsy hiasa nefa mandray karama mandritra ny enim-bolana ny vehivavy aorian’ny niterahany. Amin’izay fotoana izay izy ireo dia afaka mikarakara ny zanany sy manao ny fampinonoan-dreny irery ihany fa tsy manome sakafo hafa ny zazakely.
Vahaolana amin’ny ampahany ihany anefa io satria raha ny tena fototry ny olana dia ny fahantrana no mahatonga ny reny tsy afaka mampinono. Voatery miasa ny vehivavy satria tsy ampy ny karaman’ny vadiny hamelomana ny ankohonana. Kely dia kely ny sandam-bola malagasy ary tsy ampy ny karama isam-bolana raha iray ihany no miasa ao an-trano. Na mbola marefo avy niteraka sy tokony hifantoka tanteraka amin’ny zanany aza ny reny mitaiza kely dia voatery tsy maintsy miasa ka tsy manam-potoana hampinonoana ara-dalàna intsony. Fandaniam-bola sy fihetsiketsehana fotsiny ny herinandron’ny fampinonoan-dreny fa tsy hisy fiantraikany amin’ny toe-java-misy akory. Tsy hisy Fanjakana na fikambanana tsy miankina mody miaro ny zon’ny reny sy ny zaza ary ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana hanome vahaolana maharitra mba hahafahan’ny reny mampinono tanteraka ny zanany latsaky ny enim-bolana mantsy eto.
Mazava ho azy anefa fa samy hidedaka ho mahavita izao sy izao ary manome izao karazana toro-hevitra sy toro-marika tsy misy fotony rehetra izao izay rehetra handray fitenenana anio any Antsirabe mandritra ny lanonana hanokafana ny herinandron’ny fampinonoan-dreny. Vola an-tapitrisany maro no holaniana ary ny ankamaroan’izany dia anakaramana ireo rehetra niara nisalahy tamin’ny fikarakarana ny hetsika. Ireo tena reny mitaiza kely kosa dia karazan’ny hatao tohatra fiakarana fotsiny ihany satria tsy hisy Fanjakana hanara-maso azy ireo mandritra ny enim-bolana, na ihany koa hanome asa mba ho fidiram-bola mba tsy hisarahan’izy ireo amin’ny zanany ka hahafahany mampinono.
Toy ny mahazatra dia fihetsiketsehana fotsiny no betsaka eto Madagasikara fa tsy hita mihitsy izay tena asa fitsinjovana ny vahoaka. Hararaotina araka izay azo atao izao karazana andro iraisam-pirenena sy fankalazana tsy misy dikany izao mba hikarakarana hetsika hahazoana famatsiam-bola ho an’ny tombon-tsoa manokana. Mandainga izay rehetra lasa any Antsirabe hanatrika ny fanokafana ity fankalazana ny fampinonona ity raha sahy milaza fa tsy nandrya vola na Ariary aza.
Ravalo tsy Manana