Ambohimanga – Taolana sisa hita tamin’ireo omby very
Novonoin’ireo dahalo ireo omby nangalarin’izy ireo. Teny Ambohimanga no nahitan’ny mponina izany ny faran’ny herinandro teo. Taolana sy hoditra sisa no navelan’ireo jiolahy fa ny hena lasan’izy ireo avokoa. Heverin’ny fokonolona, noho izany, fa namidy teny amin’ny mpivaro-kena na eny an-tsena ny hen’omby. Ny hoditra sisa nahafantarana fa miloko mainty sy fotsy ny omby iray ary ilay faharoa kosa dia mainty ranoray. Tsy nisy nahalala izay tompony sy ny toerana nangalarana ireo biby ireo kosa ny mponina teny an-toerana sy ny manodidina satria tsy nisy nitaraina ho very omby. Karazan’ny nangalarina antsokosoko tany ambalan’olona monina lavitra teo amin’ny toerana namonoana azy ireo omby ary nentina tany amin’ny mangingina mba hakana ny nofony. Ny zandary ao amin’ny borigady Ambohimanga no misahana ny fanadihadiana. Tato ho ato dia mirongatra tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana amin’iny distrikan’Avaradrano sy Anjozorobe iny. Halatr’omby sy vaky fasana no tena matetim-piseho amin’izany.
Dom