Bealanana – Tovolahy nananton-tena tao an-tranony
Vatana mangatsiaka sisa hitan’ny olona nihantona tao an-tranony. Io no vokatry ny famonoan-tena nataon’ny lehilahy iray vao 22 taona monja monina any Antsamaka, Ambalavelona Bealanana. Tsy fantatra mihitsy izay zava-nitranga fa toy ireo mpamono tena rehetra dia tsy nampiseho fihetsika hafahafa mihitsy izy talohan’ny nanaperany ny ainy. Saika nitovy tsy nisy valaka tamin’ilay nitranga teny Alarobia Amboniloha tamin’ny volana jolay lasa iny ity tranga ity. Ny maha samihafa azy dia ny iray tao an-trano no nananton-tena fa ny iray kosa teny ambony hazo. Mikasika ilay teny alarobia dia efa samy niaiky ny polisy sy ny fianakavian’ny maty fa famonoan-tena no nitranga fa tsy vono olona. Mbola misitery nanaraka azy any am-pasana kosa no anton’izany. Fantatra anefa fa tovolahy tso-po sy sarika ary tsy mba nanana olana firy tamin’ireo manodidina azy ilay namono tena. Olon’ny zava-kanto ihany koa izy ary tena mamy hoditra tamin’ireo akaiky azy.
Eto Madagasikara dia vitavita foana amin’ny alalan’ny fanadihadiana tsotsotra ny resaka famonoan-tena misesisesy toy izao fa any amin’ny tany mandroso kosa dia ataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana mihitsy mba hisorohana ny tsy hiverimberenany intsony. Olana ara-tsosialy sy ara-piarahamonina mantsy no mahatonga ny famonoan-tena ary tena andraikitry ny Fanjakana mihitsy ny mitady vahaolana hanampiana ny tanora tsy ho mora kivin’ny olana mandalo ka tsy hanaonao foana.