Toliara – Faty hita teo antokotanim-pasana
Fatin-dehilahy iray no hitan’ny olona tao amin’ny faritry ny toeram-pandevenana Ahaviro Toliara ny faran’ny herinandro teo. Rehefa nozahan’ny dokotera dia hita fa novonoina izy io satria nisy ratra tao amin’ny hatony. Tsy vitan’izany fa tsy teo amin’io toerana io no namonoana azy fa tany an-kafa. Porofon’izany, nisy diana kodiara teo akaikin’ny toerana nanipazana ilay razana. Izany hoe efa maty izy dia nentina tamin’ny fiara ka natsipy teo. Nisy saron-tava ihany koa adino teo. Mety nanaovan’ilay mpamono io mba hanafenany ny endriny sao sanatria nisy nahita. Tsy isalasalana, noho izany fa tena vono olona ity nitranga ity saingy mbola baraingo mipetraka ny mikasika ny mombamomba ireo mpamono sy ny antony namonoana azy. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana rahateo dia tsy nisy nahafantatra azy ny olona tonga nitangorona no sady tsy nisy taratasy mombamomba azy ihany koa tany am-paosiny. Efa manao ny famotorana ny zandary ary izay valin’izany no hahalalana ny marina rehetra mikasika ity raharaha ity. Azo ambara fa tena nirongatra be ny tsy ffandriam-pahalemana sy ny herisetra ao Toliara ao tato ho ato. Heverin’ny mponina fa anisan’ny nahatonga izany ny mbola tsy fahatrarana ny 20 mahery tamin’ireo gadra nandositra nivoaka ny fonja tamin’ity taona ity. Taorian’io nahavaky ny fonja io mantsy no tena nampirongatra ny asan-jiolahy sy ny vono olona tany an-toerana.
Dom