Jiro maty lava
Lasa areti-mikiky ny fitondram-panjakana mihitsy ny Jirama satria sady manala-baraka no manaratsy endrika. Afa-baraka tanteraka ny Filoham-pirenena noho ny tsy mety ahitana vahaolana hisorohana tanteraka ny delestazy. Mba nanao ihany ary hita fa tena niezaka ny fitondrana mba hanafoanana ny fahatapahan-jiro saingy noho ny tsy fahombiazan’ny Jirama dia karazan’ny rano nararaka andamosin-ganagana ihany izany satria tsy nisy fiantraikany ho an’ny vahoaka sy ny mpanjifa akory. Efa nomena ny tsy miankina ny fitantanana ny famokarana jiro ao Mandroseza ary efa maro ny tranon-jiro natsangana izay tena noheverina fa ho ampy hamahana ny olana saingy toa tsy misy vokany izany.
Ankoatra ireo dia mbola andoavana volabe amina miliara isan-taona ihany koa ny Jirama fa tsy mety mahavita tena. Ny tena nahagaga anefa dia nahita vokatra tamin’ny vidin-jiro mora ity orinasam-panjakana ity talohan’ny taona 2009. Nahazo tombony mihitsy tamin’izany ka tsy vesatra ho an’ny firenena toy ny amin’izao fotoana izao. Tamin’ny andron’ny tetezamita dia nampidinin’ny fitondrana Tgv ny vidin-jiro satria hita fa tsy maty antoka ny orinasa.
Ankehitriny anefa tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny eo anivon’ity orinasam-panjakana ity. Jiro sy rano tapaka foana, ny faktiora tsy mitsaha-miakatra ary tsy misy ny mangarahara. Mahita fanazavana ara-tekinika foana ny tompon’andraikitra ary tsy mba milaza azy ho diso mihitsy. Rehefa tena jerena anefa dia ny fitantanana anatiny ao amin’ny Jirama mihitsy no tsy tratran’ny delestazy ka mila fanavaozana. Tsy mahay ny tekinisianina matoa simba foana ny fitaovana satria tsy ampy ny fikojakojana. Misy sampan-draharaha karamaina volabe ao mba hanara-maso ny fotodrafitrasa sy ny fikojakojana ny fitaovana rehetra mba hisorohana ny fahasimabana tampoka. Rehefa tapaka anefa ny jiro sy ny rano dia mahita fialana andraikitra hatrany ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity fa nisy fantsona vaky tatsy, nisy kaontera mipoaka taroa. Dia inona fotsiny izany no hanakaramana ireo olona tokony hisahana ny fanaraha-maso ny fikojakojana irey fitaovana ireny ?
Ity resaka delestazin-jiro sy fahatapahan-drano tsy misy fitsaharany ity no antony voalohany tena ankahalan’ny vahoaka ny fitondrana. Raha sanatria tonga amin’ny tanjona iriany ireo olona mitaky ny fialan’ny mpitondra dia tsy azo lavina fa anisan’ny mahatonga izany ny delestazy ataon’ny Jirama. Raha tena hitady vahaolana marina ny eo anivon’ny fitondram-panjakana dia ny fomba fitantanana ny mpiasa sy ny fomba fiasan’ny mpiasa ao mihitsy aloha no mila jerena ifotony fa misy tsy mandeha amin’izay laoniny ao. Na hividy gropy isam-pokontany aza mantsy ny fitondrana rehefa tsy vitan’ireo mpiasa ny fanaraha-maso sy ny fikojakojana ny fampiasana ireny dia vola ariana fotsiny.
Tena leo sy tofoka tanteraka amin’ny Jirama ny vahoaka nefa tsy afaka ny ho aiza satria ataon’ity orinasam-panjakana ity ampihimamba ny famatsiana jiro sy rano eto Madagasikara. Lasa henatra sy vesatra ho an’ny firenena ny Jirama na dia noheverina ho anisan’ireo orinasa nireharehan’ny malagasy azy tany aloha tany. Tsy misy fivoarana fa vao maika mikorosy fahana ary efa ela mihitsy no nikasan’ny fitondram-panjakana nifandimby hovarotra azy tamin’ny sehatra tsy miankina saingy ny vahoaka no tsy nanaiky.
Mila mandray fepetra hentira ny fitondram-panjakana fa be loatra ny voka-dratsy ateraky ny delestazy amin’izao fotoana izao. Efa tsy voatanisa intsony ohatra ireo fitokonana sy fihetsiketsehana nitranga tamin’ny faritra maro manerana ny Nosy noho ny fahatapan-jiro tsy misy fiafarany fa miverimberina isan’andro lava izao.
Ravalo tsy Manana