Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Ampandrana – Mirongatra ny vaky trano sy fiara

Tao anatin’ny herinandro dia in-droa voatafika ny tokantrano iray teny Ampandrana Atsinanana. Mianika tamboho ireo jiolahy ka rehefa tafiditra ao an-tokontany dia mamaky lakozia sy mandroba fiara no ataon’izy ireo. Tamin’ny fanafihana voalohany dia fiara roa nijanona teo an-tokontany no lasibatra. Lasa ny fitaratra be eo aloha sy ny baterian’ny fiara iray. Ny fitaratra aoriana kosa no nongotan’ireo mpangalatra tamin’ny fiara faharoa ka lasa. Taorin’io dia mbola niverina indray ireo jiolahy ka lakozia indray no novakian’izy ireo ary fongana avokoa ny entana sy kojakoja rehetra tao. Voalaza anefa fa misy masera mipetraka tao amin’ny tompon’ilay lakozia vaky.

Ny tena nahagaga ny rehetra dia tena tsy re tsaika mihitsy ireo mpangalatra nefa mba toerana tsara fefy misy tamboho avobe ihany ilay tanàna voaroba ary misy vavahady mikatona be ihany koa. Be olona ihany koa ao saingy tsy nisy nahare na inona na inona mihitsy tamin’ireo fanafihana in-droa miantaona ireo. Tsy dia fahita teny amin’ny fokontany ny vaky trano in-droa nisesy toy ity ka dia manahy ireo mponina eny amin’ny manodidina fa misy andiana tontakely mihaodihaody sy manao hala-botry amin’ny alina. Ny tena mampivarahontsana ny mponina dia ny mety hivadihan’ity hala-botry ity ho fanafihana mitam-piadiana. Matetika mantsy dia ireo tontakely mpanao hala-botry no misava lalana manao ny fitsirihana ny hidin-trano sy ny hirika rehetra hanamora ny fanafihana. Rehefa azon’izy ireo antoka izany dia miditra an-tsehatra amin’izay ireo jiolahy mitam-piadiana mpiray tsikombakomba aminy.

 

Cassandra Kassie

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre