Saribao – Midina tsikelikely ny vidiny
Efa hiverina amin’ny laoniny ny vidin’ny saribao eto an-drenivohitra atsy ho atsy. Ankoatra ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana hampiato ny fanondranana any Chine mantsy dia efa manomboka miakatra ny famokarana any Moramanga. Ny toetrandro izay efa manomboka mihamaina hatrany dia anisan’ny fepetra goavana takian’ny famokarana saribao satria maty ho azy ny fatana rehefa misy orana na erikerika maharitra. Ankoatra izany dia efa miverina manao arina ihany koa ny ankamaroan’ireo tantsaha izay avy namonjy ny fiakaran’ny voka-bary teo aloha teo. Nohazavain’ireo mpandraharaha amin’ny saribao fa efa manomboka midina ny vidin’ny iray kitapo ary afaka fotoana vitsy izany dia hiverina amin’ny laoniny tanteraka. Hatramin’ny omaly aloha dia mbola manodidina ny 3 alina ariary ny iray gony amin’ny saribao tamin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Milaza ireo mpivarotra fa miankina amin’ny vidiny eny am-potony ihany ny fiovaovan’ny vidin-tsaribao eny amin’ny mpaninjara.
Dom

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny