Vokatry ny USAD – Lasa any Ihosy avokoa ny dahalo
Tena mahomby ary misy vokatra hita maso sy miantraika any amin’ny fiainam-bahoaka ny asa fampandrian-tany sy fiarovana ataon’ilay andian-tafika manokana miady amin’ny asan-dahalo (USAD) any Atsimon’ny Nosy. Ny indro kely anefa araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra any an-toerana dia saika mijanona eo amin’ny manodidina ny faritra iasan’ny USAD ihany izany vokatra izany. Azo lazaina izao fa mba nilamindamina ny any amin’ny distrikan’i Betroka sy ny manodidina taorian’ny nahatongavan’ny miaramila tany an-toerana. Mifanohitra amin’izany kosa anefa ny an Ihosy izay tena mirongatra be indray ny asan-dahalo. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra any an-toerana dia lasa mikisaka any Ihosy sy ny manodidina azy ireo dahalo nandositra ny miaramila avy any Betroka. Raha somary nilamindamina mantsy Ihosy tao anatin’ny 10 taona teo ho eo dia lasa faritra mena indray hatramin’ny nisian’ireny resaka Remenabila ireny. Rehefa misy ny fampandrian-tany any Betroka dia lasa mifindra lasa any Ihosy ny mpangalatr’omby. Mandray ny andraikiny ihany ny zandary any an-toerana izay miara-miasa akaiky amin’ny dinabe sy ny kalaony saingy tsy afaka ampitahaina amin’ny asan’ny mpampandry tany sy ny USAD ny vokara azo. Na izany na tsy izany dia hita fa efa mijoro ny vahoaka any amin’ireo tanàna kely any Ihosy ary tena sahy mifanandrina sy manohitra hatramin’ny farany ny asan-dahalo.
Dom