Fitsaram-bahoaka – Ny zanany lahy novonoina ho faty, ny reniny noratraina mafy
Tany Vinanivato Antalaha no nitrangan’ity vono olona ity. Rehefa natontaly dia lehilahy 2 no maty ary vehivavy lehibe iray naratra mafy. Ny alatsinainy lasa teo dia nisy lehilahy roa niady tao an-tanàna ka naratra mafy ny iray. Novonjena nentina haingana tany amin’ny hopitaly ihany izy saingy mafy loatra ny vono nahazo azy ka tsy tana ny ainy. Teo noho eo ihany dia nanao valifaty ny havany ka nitady ilay namono. Ny renin’ity farany no tratra tao an-trano ka niharan’ny fitsaram-bahoaka tao. Naratra mafy ilay kitapo nifonosana ka nentina tany amin’ny hopitaly. Tsy afa-po tamin’izany anefa ny havan’ny maty fa mbola nanohy ny fikarohana ilay namono ny mpiray rà amin’izy ireo ihany. Tratra ilay namono ka niharan’ny daroka ihany koa mandra-pahafatiny. Efa nandre ny zava-nisy ny zandary ary manao ny fanadihadiana rehetra hikarohana ireo nahavanon-doza. Mety ho maro ny olona ho voasambotra amin’ity raharaha ity ary ahiana hiteraka savorovoro sosialy satria ahiana hanao valifaty ihany koa ny havan’ilay renim-pianakaviana nodarohana sady namoy ny zanany tamin’ny fitsaram-bahoaka.