Kaominina mpanao tsindrio fa lafo
Tsy mbola nisy mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra mpanao tsindrio fa lavo ny vahoaka madinika toy ity amin’izao ity. Tsy azo atao ito, rarana izao, hihatra ny sazy, ampiharina ny lalàna. Raha ho an’ny olona tsy mahalala na tsy monina eto dia tena tanàna madio sy milamina onenan’ny olona vanona tokoa eto Iarivo ka izay tsy tan-dalàna dia iharan’ny sazy be tsy misy ohatra izany. Rehefa tena jerena anefa dia karazan’ny adin’ny kanosa ihany no apetraky ny kaominina satria ny vahoaka madinika sy mitrongy vao homana ihany no anaovana didin-kofehy lehibe sy tsindrio fa lafo. Ilaina vaniny avokoa ny seham-pihariana izay mba fiveloman’ny madinika rehetra ary tsy avela hitady ny harapany amin’ny alalan’ny fivarotana varo-boba ny hatsembohany ny mafiady. Natao hazalambo ny mpamily fiarakaretsaka, enjehina ny mpivarotra, raràna ny mpitarika sarety ary ampihorohoroana ireo tompon-trano lazaina fa tsy nandoa hetra. Tsy misy maharatsy ireo rehetra ireo raha toa ny kaominina efa nametraka tetikasa tan-tsoroka mialoha mba hahafahan’ireo lasibatra miavotra sy mivelona. Tsy fantatry ny ekipan’ny ben’ny tanàna angamba fa tsy misy olona te hitarika sarety izany na iray aza raha mahita asa hafa. Tsy misy olona te hivarotra amoron-dalana izany ihany koa raha tena misy ny tsena manara-penitra hasiana azy ireo. Mbola santionany aza ireo notanisaina ireo fa efa manomboka mankaleo ny mponina sy ny mpandalo eto an-drenivohitra ny fitsetsefana ataon’ny kaominina amin’ny olona manana fiara. Vao mijanona kely 10 segaondra dia efa omena sazy aman’alina. Faly ery ireo polisin’ny kaominina mametaka ilay vy kely amin’ny kodiarana mba tsy hahafahan’ny fiaran’olona mihetsika raha tsy mandoa vola.
Dia resaka sazy toy izany ve no heverin’ny mpitantana fa hampandrosoana ity tanàna? Raha tena mitady ny fampiharana ny lalàna dia ny olon-dratsy aloha no tokony henjehina sy hatao haza lambo voalohany. Tsy mbola nisy mihitsy tompon’andraikitra tao amin’ny kaominina na iray aza niteny sy nilaza fa mampitandrina ireo mpanendaka fa hampihatra ny lalàna sy ny sazy. Maninona ireny “gros bras”’ sy polisy kaominaly karamain’ny kaominina ireny tsy aparitaka manerana ny tanàna hanenjika sy hiady amin’ny mpanendaka. Miseho tsy refesi-mandidy mihitsy ireo mpiasan’ny kaominina rehefa hila vaniny sy hanasazy vahoaka nefa tsy sahy sady tsy hita rehefa misy ny asa fanendahana sy sinto-mahery ary vaky trano.
Tsy ny fifamoivoizana izao no mahamaika ny vahoaka fa ny fiarovana ny aina sy ny fananana. Tsy ny olon-tsotra ihany koa no fahavalon’ny kaominina fa ny olon-dratsy. Mahagaga anefa fa ny fanapahan-kevitra raisina dia toa mitodika amin’ny famoretana ny vahoaka madinika hatrany. Tsy mandeha ny jiro eny amin’ny pôtô, maloto sy simba ary mahafaty ny lalan-kely rehetra, tsy zarizary ny fiainam-pokontany ary tsy misy fotodrafitrasa misongadina vita na iray aza eto an-drenivohitra. Tsy ny hamaha izany olana rehetra izany no mahamaika ny kaominina fa ny hampijaly sy hanasazy ary hitaky vola amin’ny vahoaka. Namidy ny fiantsonan’ny fiara ka lasa andoavam-bola, nasondrotra avokoa ny saran’ny fikarakarana taratasy eny amin’ny boriboritany rehetra, mirara-kompana ny vola aloa amin’ny sazy isan-karazany, hoavy ihany koa ny fitakian-ketra. Heverin’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany fa orinasa mihitsy angamba ny kaominina Antananrivo renivohitra ka ny vahoaka no mpamatsy vola hampandehanana ny raharaha rehetra ao. Hadinon’izy ireo fa andraikitry ny mpitantana ny kaominina no mitady vola hampandrosoana ny tanàna fa tsy vahoaka efa zara raha mahita hanin-ko hanina no hotangosana vola entina hanakaramana azy ireo. Sao mba tsy rariny!
Ravalo tsy Manana