Vaky fasana – Razana 17 nanjavona teny Manjakandriana
Tsy nisy nahita ireo mpangalatra ary tsy nisy nahalala izay tena zava-nitranga marina fa fasana efa nisokatra no hitan’ny olona. Rehefa nojerena niaraka tamin’ny manam-pahefana sy ny tompom-pasana dia razana miisa 17 no lasan’ireo mpangalatra. Efa manao ny fanadihadiana ny zandary avy ao Nandihizana Carion saingy tsy mbola fantatra ny tohin’ny raharaha. Tena nisesisesy be loatra ny vaky fasana amin’ireo distrika rehetra eto Analamanga tato ho ato. Lasibatra voalohany amin’izany ny eny Manjakandriana sy Avaradrano. Am-polony hatrany ny razana very nefa zara raha misy tratra ireo mpandroba. Ankoatra ny halatra taolam-paty dia anisan’ny antony mety mampirongatra ny vaky fasana eny Manjakandriana sy Avaradrano ny fandrobana ataon’ireo mpanafika. Tanàna nipoiran’ireo andriana merina mantsy ireo distrika roa ireo ary filevenan’ny mpanan-karena ihany koa ka mety misy zava-tsarobidy ampanarahana ny maty any am-pasana any. Tombatombana avokoa anefa ny an’ny mpanara-baovao fa mbola misitery toy ny halatra lakolosy ny resaka vaky fasana hoy ny mpitandro filaminana. Tsy mbola nisy mihitsy tohan-kevitra nazava nivoaka tamin’ny fanadihadiana natao mahakasika ny antony tena mampirongatra ity vaky fasana ity amin’izao fotoana izao.
Dom