Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Singam-bolo mandavo ny vositra

Raha ny kabary etsy sy ero no jerena dia tsy mahataitra firy ireo manam-pahefana ny karazana fandrahonana hanao fitokonana eto an-drenivohitra. Voalohany amin’izany ny fidinana an-dalam-be kasain’ny mpanohitra hatao ny zoma ho avy izao. HIta fa tsy dia asian’ny fitondram-panjakana lanjany firy io hetsika io satria olona tsy dia fantatra sy tsy nahavita firy tamin’ny fitariham-bahoaka no mitarika. Tsy mbola misy sahy mijoro ireo tsangan’olona na antoko tena afaka hifanandrina amin’ny fitondrana ankehitriny raha ny zava-misy tokoa no jerena. Tsy iza no tiana hotenenina amin’izany fa i Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana. Mikoropaka ny mpitondra raha ireo no miantso ny vahoaka hidina an-dalam-be. Izy ireo ihany mantsy hatreto no heverina fa mety hahatarika vahoaka maro sesehena eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ary tsy ho voatohitry ny Emmoreg. Mangina anefa ireo filoha teo aloha ireo ary tsy misy mahafantatra izay tena tetikasa ataony any ambadika any. Ny efa azo antoka sady efa nolazainy dia ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018.

Tsy misy mampihetsi-bolomaso ny mpitondra ireo mpanao politika sy mpitarika vahoaka miezaka ny manao hetsika amin’izao fotoana izao, ankoatra an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Fantatry ny mpitondra mazava tsara mantsy fa tsy ampy ravain’ny Emmoreg ao anatin’ny fotoana fohy ny fikasana hidina an-dalam-be rehetra eto an-drenivohitra. Raha ny vava sy ny finiavana dia manana sy tsy mena-mitaha ireo rehetra tsy faly amin’ny fitondrana fa raha ny tena hampiseho hery amin’ny alalan’ny firaisankina dia imehezan’ny mpitondra fotsiny. Maro ny vahoaka no mimenomenona sy manakihana fa tsy sahy akory rehefa misy miantso hoe : “andao ary”. Samy mihainohaino any an-tranony sy miandriandry vaovao amin’ny facebook fotsiny dia avy eo be vava sy be menomenona fa tsy sahy mivoaka an-dalam-be maneho ny heviny. Fantatry ny mpitondra io hakanosan-dramalagasy io ka izay no tsy hirarahiany izay hetsika rehetra kasain’ny mpanohitra atao.

Tsy ny fitondram-panjakana irery anefa no manao io fomba  io fa indrindra indrindra ihany koa ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Vao misoka-bava ny tompon’andraikitry ny kaominina dia ireto avy no teny miverimberina “fepetra”, “sazy”, “tsy azo ekena”! Mankaleo ny vahoaka ny teny an’avona sy fihantsiana toy izany ary tena mahatonga fahasosorana sy fankahalana mihitsy. Tsy mahavita na inona na inona amin’ny asa fampandrosoana eto an-drenivohitra ny kaominina fa ny hampiasa hery sy hanao famoretana ny vahaoka no mba zava-bitany. Matoa voatampina ny lalana, misy ny fanamboarana fotodrafitrasa vaovao dia  mbola ny fitondram-panjakana foibe no nanao ireny fa tsy ny kaominina. Ny an’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany dia ny handroaka sy hanao tsindrio fa lavo ny vahoaka madinika ihany no tena kapoakany.

Hadinon’ireo mpitondra rehetra eo anivon’ny Fanjakana sy ny kaominina anefa fa misy fetrany ihany ny fandeferana. Rehefa feno ny kapoaka mety hitobaka ihany. Ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia nilaza tamim-pahatsorana niresaka tamin’ny mpanao gazety tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay fa tsy azo atao ny miady amin’ny mpanao gazety. “Izaho izao niady taminareo dia niongana” hoy izy nijoro vavolombelona. Tsy ny mpanao gazety irery ihany anefa no tsy azo anaovana tsindrio fa lavo sy fanaparam-pahefana fa ny vahoaka rehetra tsy an-kanavaka mihitsy. Mitombina ny fahendren’ny ntaolo nilaza fa ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ary izay be no basy. Mandrora mitsilany ireo manam-pahefana raha ny famoretana no heverin’izy ireo hampanginana ny vahoaka satria tsy azo odian-tsy fantatra ny fisian’ny singam-bolo mandavo ny vositra. Maro ihany izay mpitondra nanao didy jadona izay na teto Madagasikara na tany ivelany fa rehefa niharan’ny tamba-be nirodana foana. Anisan’ny nampiasa famoretana ny Filoha isany Tsiranana, Ratsiraka, Ravalomanana, Rajoelina fa niala tamin’ny fitondrana ihany rehefa tonga ny anjarany. Nirehareha ho tsy resin’iza na iza ry Adolphe Hitler, Saddam Hussein, Ben Laden, Kaddafi, sns…fa rehefa nitambaran’ny olona lasa ihany. Eto Madagasikara anefa tsy tia ady ny vahoaka ary azo sorohana tsara ny fifandonana. Fifanajana sy fifampiresahana fotsiny izay kolontsaina no takian’ny vahoaka dia mialmina ho azy ny raharaha. Rehefa mijery sy mihaino ary manatanteraka ny hetahetam-bahoaka ny mpitondra dia milamina avokoa ny rehetra zava-drehetra. Tsy aleo ve mifandray tanana toy izay hifamono?

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre