Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Ambatondrazaka – Zaza 8 taona maty voahitsaky ny fiarakodia.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao amin’ny fokontany Antanifotsy kaominina Ambatondrazaka renivohitra ny alahady faha-14 aogositra 2016 lasa teo. Zazakely vao 08 taona monja no maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiara tsy mataho-dalana iray. Ankizy tsy ampy taona nangalatra nitondra fiara no voalaza fa nandona ity zaza ity ka nahatonga izao voina lehibe izao. Nipetraka niaraka tamin’ny namany izy io hoy ny mponina no nandalo ity fiara ity izay efa nivilavila ka nifatratra tany aminy. Nitsoaka avy hatrany kosa iretsy sasany. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa tsy tao an-trano ny olon-dehibe. Nohararaotin’ilay tovolahy izany ka nalainy ny fanalahidy nihantona teo amin’ny toerany mba hitondrany ilay fiara. Efa noraisin’ny mpitandro filaminana ny raharaha rehetra amin’izao fotoana izao. Na ny ray aman-drenin’ny niharam-boina na ny an’ilay nandona dia samy sosoa voatapo-drano avokoa nanoloana ity loza niseho tao Antanifotsy ity.

Ange R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre