Befandriana avaratra – Narian’ny jiolahy ny rongony 80kg
May ny endim-boanjon’ireo olon-dratsy ka narian’izy ireo ny rongony milanja 80kg. Tany Ambarivery Befandriana avaratra no nisehoan’izany. Efa dahy izy ireo no tsikaritry ny olona sy ny zandary nitondra gony miisa 8. Nampiahiahy ny fihetsiny ka niroso tamin’ny fisavana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Vao nanantona fotsiny anefa ny zandary dia rifatra nandositra ireo mpitondra rongony ary nariany teo ireo gony miisa 8. Natao ny fanenjehana saingy tsy nisy voasambotra ry zalahy. Jjamala no hita rehefa nosavaina ireo gony. Natao ihany koa ny fandanjana ireo zava-mahadomelina ka nitentina 80kg ny tontaliny. Efa nodorana teo imason’ny manam-pahefana sy ny vahoaka any an-toerana ny rongony rehetra rehefa vita ny fitanana an-tsoratra.
Mampiahiahy ny vahoaka ihany anefa ity zava-nitranga ity satria mety ho misy toerana fambolena rongony midadasika any amin’ilay kaominina saingy tsy mbola saron’ny mpitandro filaminana fotsiny izany. Raha ny fijery azy mantsy dia mety tsy lavitra teny amin’ny toerana nahitana ireo mpitatitra ny nakana ireo zava-mahadomelina ireo. Miandry ny fanadihadina lalina avy amin’ny mpitandro filaminana ny mponina any Befandriana avaratra mba hahafantarana misimisy kokoa ny mahakasika ity resaka rongony ity.
Dom