Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Miarinarivo – Mamo maty voatsatok’antsy

Tany Miadana Miarinarivo II no nitrangan’ity loza namoizana ain’olona ity. Mpinamana ihany no nifamono rehefa tsy nitovy hevitra satria nanao resaky ny mamo. Nandray ny antsy nandidiana tsaky ny iray ka notsatohany tamin’io ilay namany. Tsy nihevitra  ny hamono mahafaty anef izy satria ny teo amin’ny fen’ilay iray no notsindrominy. Rehefa ho avy ny loza dia patsa iray tsy omby vava satria nahazo lalan-dra vaventy ilay zava-maranitra ka niboiboika ny rà. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly ilay naratra saingy nohon’ny fahaverezan-drà be loatra dia tsy tana ny ainy. Efa nosamborin’ny zandary ilay nahavanon-doza ary nomena ny fianakaviany ny razana. Tsy nananosarotra ny fisamborana satria tao an-tranon’ny anabavin’ilay namoy ny ainy no nitranga ny herisetra. Raha ny fijery azy dia tena efa andro miditra mihitsy ity faty olona ity satria tsy hisy nanam-po hoe hiafara amin’ny tsatok’antsy ny fiaraha-misotrosotro teo amin’izy roalahy. Mbola manaporofo ny voka-dratsin’ny tsy fahafehezan-tena noho ny toaka ihany koa anefa satria raha ranom-boankazo no niarahany niala hetaheta mety tsy niafara tamin’ny ady sy ny fifamonoana toy izao izany.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre