Tsy misy tany hiadanana!
Efa hifarana sahady indray ny fialan-tsasatra. Araka ny tetiandro nofaritan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mantsy dia ny volana septambra izao no hanomboka ny taom-pianarana 2016-2017. Fandaminana natao hamerenana ny tetiandro hatramin’izay io mba hahafahana mamita ny taom-pianarana mialohan’ny volana jolay 2017. Amin’ny ankapobeny dia tsy misy maharatsy azy io fandaminana vaovao io saingy kosa hita fa miteraka tsy fitovian-kevitra any amin’ireo sekoly tsy miankina. Mihenjan-droa ny tady amin’ireo toeram-pianarana sy ny ray aman-dreny. Resaka saram-pianarana ny olana satria sady efa noterena handoa saram-pianarana volana jolay ny ray aman-dreny tamin’ity no tsy maintsy handoa ny septambra sahady indray koa. Izany hoe ny volana aogositra ihany no tsy nandoa saram-pianarana. Maro ny ray aman-dreny no nangataka ny hanemorana ny fidiran’ny mpianatra ho amin’ny fiandohan’ny volana aogositra mba hahafahana miomana amin’ny vola ilaina ho amin’izany. Tsy misy fotoana hahafahan’ny isan-tokantrano miaina mihitsy rehefa tena dinihina satria tsy fahampiana lava sy olana ara-bola no mianjady amin’ny rehetra. Amin’izao tapatapaky ny aogositra izao dia efa eo am-panaovana kajy izay vola ilaina amin’ny fidiran’ny mpianatra sahady ny rehetra. Manahirana io satria araka ny fantatra dia mahatratra hatramin’ny 2 hetsy ariary mahery ny vola ilaina ho an’ny ankizy iray raha mianatra amin’ny sekoly tsy miankina manara-penitra izy. Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondrana ho an’ny sekolim-panjakana, izay mizara fitaovana sy mety tsy handovana saram-pisoratana anarana nefa iaraha-mahita ny vokatra azo amin’ireny sekoly ireny. Tsy nanafina mihitsy ny mpampianatra sy ny minisitera mpiahy fa ny mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana no tena nampidina be ny tahan’ny fahafaham-panadinana tamin’ny Cepe sy Bepc farany teo. Mbola tsy fantatra ihany koa izay mety hitranga satria efa nampitandrina ny fikambanan’ireo mpampianatra eny amin’ny sekolim-panjakana fa hanao fitokonana vao manomboka ny taom-pianarana. Asa na efa tetika maty paika nomanina hatramin’ny ela na fifandrifian-javatra fa toa miara-mipoitra avokoa ireo hetsika fitokonana sy fitakiana etsy sy eroa amin’izao fotoana manakaiky ny fidiran’ny mpianatra izao. Ankoatra ny mpampianatra izay mivondroana ao amin’ny Anefa dia efa nanao fanambarana ihany koa ny fikambanan’ireo mpiraki-draharaha fa mety hampikatso ny raharaham-pitsarana. Tsy manana olana velively amin’ny minisiteran’ny fitsarana izany ireo fa kosa tsy faly amin’ny tsy namalian’ny Fanjakana ny fitakiana efa natao. Ankoatra ireo dia efa mihetsiketsika any ambadika any ihany koa ny Afo sendikaly izay ivondronan’ny sendika rehetra manerana ny Nosy. Hita ao avokoa na ny avy amin’ny Fanjakana na ny an’ny sehatra tsy miankina. Manampy ireny ny tena mpanao politika izay mitambatra amin’ilay antsoina hoe Mitsangana ry malagasy. Farany dia tsy nanafina ary mitohy mampiseho ny fahadisoam-panantenany manolona ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ny fiangonana katolika. Ankilan’ireo rehetra ireo anefa dia betsaka ihany koa ireo antoko sy fikambanana mijoro miaro ny fitondram-panjakana. Anisan’ireny ireo manohitra ny fidinana an-dalam-be toy ny Tamami, ny Ambalambahoaka, ny Tim, ny Arema, ary ny mpanohitra ofisialy tarihin’i Lalatiana Ravololomanana. Ireo rehetra ireo dia mampiseho fa misy zavatra tsy milamina eto Madagasikara ary mila vahaolana haingana mba hisorohana pitik’afo kely mety hampitroatra ny vahoaka. Ny fahasahiranana toy izao mantsy no fotoana mahamora ny fitarihana ny vahoaka hidina an-dalam-be. Zaran’ny olona aza hisy ny fitokonana lavareny sy ny savorovoro mba hampihemotra ny fidiran’ny mpianatra satria maro ireo tsy mbola vonona ara-bola hividianana ireo fitaovana ilain’ny zanany. Ireo mpiasa izay avy naka fialan-tsasatra ihany koa dia maro ny kamo hiverina hiasa ka mety amin’izy ireo ny hisian’ny fitokonana mba hitohizan’ny fakana aina. Tsy izany anefa no tena ilaina fa firenena milamina sy vahoaka manana ny ampy hahafahany miezaka hiroso amin’ny fampandrosoana. Any amin’ny fitondram-panjakana ny adidy sy andraikitra handaminana izany otrika savorovoro mitady hirehitra rehetra izany.
Ravalo tsy Manana