Ambohidratrimo – Zaza 5 taona nambanan’ny jiolahy antsy
Nataon’ny jiolahy mpanafika takalon’aina ny zazakely vao 5 taona tany Ampanotokana Ambohidratrimo. Norahonan’izy ireo hovonoina ho faty io voatavo tsy mifandraka io raha tsy manome ny vola rehetra ny reniny. Karazan’ny efa nanam-baovao tsara mahakasika ilay fianakaviana voatafika ireo jiolahy satria fantatr’izy ireo ny fomba fandonana ny trano ary efa hain’izy ireo ihany koa fa nisy vola tao. Nandondona ireo mpanafika ary mitovy amin’ny fomba fandonan’ny raim-pianakaviana no nataony ka namoha trano avy hatrany Ramatoa izay tsy nanam-po na inona na inona satria noheveriny fa ny vadiny no tonga, araka ny tatitra acy amin’ny mpitandro filaminana . Nisaron-tava ihany koa ireo jiolahy izay niditra an-keriny tao an-trano vao nisokatra ny varavarana. Noteren’izy ireo hanome ny vola rehetra ilay renim-pianakaviana ka nanome 2 alina Ariary. Tsy nanaiky izany anefa ireo mpanafika fa niteny hoe avoahy avokoa fa mbola misy vola hafa ao. Rehefa nandà ilay ramatoa dia nobedain-dry zalahy ilay zaza 5 taona ka nambanany ho tsatohana ny antsy. Natahotra ny ain-janany ilay renim-pianakaviana ka namoaka ny vola 3,4 hetsy Ariary. Vao naharay io vola io ireo jiolahy dia lasa nandrositra.
Dom