Ambohitrarahaba – Mpangala-badin’olona no rangory fototry ny afo
Trano miisa 3 no nirehitra tao Ambohitrarahaba noho ny hadalan’ny vehivavy lehibe 58 taona mpangala-badin’olona. Trano hazo no ipetrahan’ity ramatoa ity ary labozia no ampiasainy. Nampiaraka sy nisotrosotro tao izy sy ny rangahy iray mitovy taona aminy izay olona manam-bady aman-jaka. Rehefa niakatra anefa ny toaka ka tonga tamin’ny hamamoana dia nivoaka ihany koa ny hasarotam-piaron’ilay mpangala-badin’olona ka niafara tamin’ny adin’izy sy ilay sipany. Niakatra ny feo ka natahotra ny hovonoin’ilay rangahy ilay ramatoa ka nandositra tany ivelany. Nivoaka nitady azy ilay lehilahy mpijangajanga ary adinony ny nitsoka ny labozia nirehitra. Nahamay ny lambam-baravarana ny afon-dabozia ka nitarika ny firehetan’ny trano. Nijoalajoala ny afo ary niezaka niantso mpamonjy voina ny fokonolona saingy tsy nisy nandray mihitsy ny telefaonina. Hany herin’ny manodidina dia nandray andraikitra hamono sy tsy hampihitatra ny afo. Lasa lavenona niaraka tamin’ny entana rehetra tao anatin’ilay trano hazo ary nihitatra tamin’ny trano 2 hafa teo akaiky teo ny firehetana. Voavonjy ara-potoana anefa izany ka ny tafo no nahitana fahasimbana amin’ny ampahany fa ny ankoatra izay tsy naninona. Nosamborin’ny zandary ilay ramatoa rangory fototry ny afo ary notazomina ao amin’ny borigady.
Dom