Mahantra be mpitsiriritra
Firenena anisany mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara sady anjakan’ny adilahy politika sy ny tsy fandriam-pahalemana. Raha ny zava-misy iainan’ny vahoaka malagasy no jerena dia tsy misy ilana azy mihitsy ity firenena ity ary tokony hampandositra ny rehetra vao maheno ny anarany fotsiny. Iaraha-mahita rahateo ny lainga afafin’ireo firenena nosy manodidina toa an’i La réunion sy Maorisy izay tsy mitsahatra manaratsy an’i Madagasikara. Lazain-dry zareo fa misy izao karazan’aretina mifindra sy mahafaty rehetra izao eto, lazainy ihany koa fa tena zava-doza tanteraka ny fiainan’ny malagasy. Ny tena tanjon’ireo nosy mpihatsara ivelan-tsihy mody mikambana ao amin’ny kaomisiaon’ny ranomasina indianina ireo anefa dia ny hanakana ny tena vazaha avy any Eoropa sy Amerika tsy hitondra vola aty Madagasikara na amin’ny sehatry ny fizahan-tany izany na ny fampiasam-bola.
Tsy mahomby io fanaratsiana ataon’i Maorisy sy La Réunion io ary ny mifanohitra amin’ny tanjon’izy ireo no mitranga satria vao mainka ireo vahiny misisika ho avy eto Madagasikara. Jereo ny ataon’ny sinoa sy ny aziatika izay tena mifanosika sy manao amboletra mihitsy hipetraka eto amintsika. Toy izany ihany koa ny eoropeanina sy ny amerikanina ary ny afrikanina. Tsy adala ireo vahiny ireo matoa manao ny fomba rehetra hahazoana taratasy hahafahana mipetraka maharitra eto Madagsikara. Mahantra sy anjakan’ny krizy politika ary ny tsy fandriam-pahalemana i Madagasikara nefa tian’ny vahiny ihany. Maneho izany rehetra izany fa misy mamy azo tsetsafina eto fa ny fitantanana no tsy mety matoa tsy afaka misitraka ny vahoaka malagasy.
Porofo iray ny zava-miseho any Soamahamanina izay nanomezana alalana ny sinoa hitrandraka ny volamena. “Maninona tokoa moa raha toa ka ny Fanjakana malagasy ihany no maka ny volamena ao Miarinarivo Itasy ao dia hanampiana ny tahirim-bolamena ao amin’ny banky foibe ny vokatra rehetra azo”? Toa fanontaniana kidaladala no andraisan’ny manam-pahefana izany nefa mitombina sy tsy misy azo iadian-kevitra rehefa tena jerena amin’ny fo tsy miangatra. Ireo manam-pahaizana ihany no miteny fa zava-dehibe ho an’ny tanjaky ny vola ny fananana tahirim-bolamena betsaka nefa odian’ny mpitondra tsy fantatra. Manana volamena an-taoniny azo trandrahina tsara i Madagasikara koa maninona izany no tsy alain’ny Fanjakana fa zarazaraina amin’ny mpitrandraka vahiny fotsiny?
Zarazaraina amin’ny vahiny fotsiny ny harem-pirenena sy izay zavatra tsara rehetra. Ny anjaran’ny malagasy kosa dia izay fakofako sy ambinkambiny tsy tian’ny vahiny. Izay no tena olana goavana eto amin’ity Nosy be mpitsiriritra ity. Porofo iray maneho izany ny fanondranana litisia. Fantenana mba haondrana any ivelany izay tsara kalitao sy mamy ary ngeza sy be ranony fa ireo tsy ampy refy no mba anjaran’ny malagasy. Efa manomboka atao toy izany ny zavatra rehetra toy ny saribao, ny hena, ny tantely, ny hazan-dranomasina sy ny karazan-tsakafo rehetra. Tsy nitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara akory anefa ireny fanondranana rehetra ireny fa vao mainka ity firenena ity miha-milentika any amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana. Mahantra be mpitsiriritra satria misy harena adala tompo sy kitapo latsaka eto ka rehefa tsy avelan’ny mpitondra hitrandraka sy hisitraka izany ny vahoaka malagasy dia tonga ny vahiny hitavana azy. Hatramin’ny asam-panjakana aza dia ahitana vahiny milaza ho tekinisianina sy mpanolo-tsaina karamaina volabe sy omena tombontsoa tsy toko tsy forohana eny anivon’ny sampan-draharaha sy minisitera nefa tsy hita akory izay asa fampandrosoana naterak’izany. Toy izany ihany koa ny eny anivon’ireo fikambanana milaza ho mpanao asa soa sy ny orinasa tsy miankina izay ahitana vazaha mikarama avo 50 heny amin’ny malagasy. Ny mpiasa malagasy izay sady manam-pahaizana anefa no manao ny asa rehetra fa ireo vazaha tsy haninon-tsy haninona sy tsy nahita asa avy any an-dafy rehetra any dia atao sefo mpibaikobaiko fotsiny. Tsy mahagaga raha marobe ny vahiny no mitsiriritra honina eto amin’ity tany mahantra ity satria afaka mitavana tsara ny haren’ny malagasy izy ireo eto.
Ravalo tsy Manana