Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ankazobe – Matin’ny zandary ny dahalo nilanja ody

Manao hetsika manokana handrindrana ny fifamoivoizana sy hampanjakana ny fandriam-pahalemana ny zandary miadidy ny faritra Analamanga. Tany amin’ny distrikan’Ankazobe no nanombohana izany ary voalaza fa nahazoana vokatra tsara. Nisy ny fifandonana tamin’ny dahalo ka lavon’ny bala ny jiolahy iray tafaporitsaka ny namany hafa. Tavela niaraka tamin’ity dahalo voatifitra ity ny fitaovana fampiasany dia basy 4 sy bala 16 ary odigasy. Ankoatra ny fampandrian-tany dia anisan’ny fepetra raisin’ny zandary ihany koa ny fisavana ny fiara hanamarinana ny maha ara-dalàna ny taratasy sy hanomezana toromarika ny mpamily ihany koa mba hitandrina sy hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Fantatra fa nihena be ny loza hatramin’ny nisian’ity hetsika ity. Araka ny fanazavan’ny zandary dia tsy ao Ankazobe ihany no hanaovana izao hetsika izao fa ny faritra Analamanga iray manontolo mihitsy. Ankazobe kosa no nanombohana azy noho ny firongatry ny asan-dahalo sy ny lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga ao amin’ity distrika ity. Hatreto aloha dia Ankazobe irery no distrika isian’ny asan-dahalo eto Analamanga. Misy ihany ny halatr’omby any Anjozorobe saingy vaky vala no filazan’ny tompon’andraikitra any an-toerana izany. Ny fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana ary ny vaky fasana kosa no tena mampikolay ireo distrika hafa.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre