Gaby Vakiniadiana – Tsy heloka ny fidinana an-dalambe
Mpikambana ao amin’ny rodoben’ny malagasy ho an’ny fanovana ifotony no sady mpitarika ny antoko politika vahoaka miray (Vami), nilaza ny tsy maintsy hanatanterahana ny hetsika fidinana an-dalam-be eny Analakely rahampitso i Gaby Vakiniadiana. Nambarany tamin’izany fa tsyt heloka ny fidinana an-dalambe fa zo. Miantso ny vahoaka izy mba hiara-hientana amin’io hetsika io ary miantso ny mpitandro filaminana ihany koa hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Tena ilaina ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana mba hiaro ny mpanao hetsika manoloana izay mitady hanakorontana hoy izy. Nambarany mantsy fa tsy mpanakorontana ireo hidina an-dalambe fa mpanao fitakiana.
Tsy nanafina kosa anefa ity mpanao politika ity fa ny fanovana rafitra sy Lalàmpanorenenana no takiany. Efa ela hoy izy no niteny saingy tsy nihaino ny Fanjakana. Anisan’ny tena tsy ekeny ny fanomezana ny tany ho an’ny vahiny. “Firenena tsy omena ny hafa” no teny filamatry ny VAMi ka azo ekena ny fivarotana ny tanindrazana amin’ny sinoa toy ny any Soamahamanina hoy izy.
Dom