Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Itasy – Jiolahy miisa 10 nangalatra reniakoho

Lasan-dry zalahy hatramin’ny reniakoho. Tsy vitan’izany fa nahafaty olona iray tamin’ireo tompon-trano ireo mpanafika. Tany Mahavelona Itasy no nitrangan’io fanafihana io. Jiolahy miisa 10 nitondra basy no nanafika tokantrano iray. Nitifitra avy hatrany izy ireo ary naka izay entana rehetra zakany. Maty tamin’izany ny lehilahy iray tao an-trano. Lasan’ireo mpanafika kosa ny takelaka fandefasana jiro amin’ny masoandro miisa roa, bateria moto iray, radio iray, lovia enina ary vola Ariary 2000 sy akoho vavy iray. Nitsoaka ireo jiolahy rehefa avy nanao ny asa ratsiny ary tsy mbola nisy voasambotra. Karazan’ny hala-botry ihany ity zava-nitranga ity satria tsy lafo vidy daholo ireo zavatra lasan’ireo olon-dratsy. Misy ihany koa ny mihevitra fa mety ho valifaty ny zava-nitranga satria jiolahy miisa 10 ve dia hionona amin’ny vola Ar 2000 sy reniakoho. Ny valin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no hamantarana izay tena marina mahakasika ity vono olona miharo fanafihana mitam-piadiana ity.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre