Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Kely fa sahy !

Milaza ny tsy hihemotra ireo mpikarakara ny hetsika fidinana an-dalambe ho tontosaina anio eny amin’ny kianjan’ny 13 mey na dia efa nampitandrina aza ny mpitandro filaminana fa handrava sy hisambotra. Azo sokajiana ho mpanao politika mbola madinika anefa ireo mpikarakara io hetsika io nefa kosa sahy mijoro hitaky ny zony sy haneho ny heviny. Torak’izany ihany koa, manao ranolava ny fanambaran’ireo antoko sy mpanao politika anisany zandriny. Milaza ireto farany fa hanatevin-daharana ny hetsika eny Analakely. Toa midika izao zava-mitranga izao fa efa mijoro ny mpandimby eo amin’ny lafiny politika eto Madagasikara. Ireo zokiny izay heverina ho be traikefa ary matanjaka ara-bola no sady be mpanohana mantsy toa mialangalana any ambadimbadika any avokoa. Manamafy hatrany ny Tim fa manohana ny fitondram-panjakana na hita mibaribary izao aza ny fifandirana matetika eo amin’ny roa tonta. Niteny koa ny Arema fa tsy mankasitraka velively ny fidinana an-dalambe ary manome vahana hatrany ny fifampidinihana. Ny Mapar ihany koa na dia sahy miteny sy mitsikera matetika ary miara-dia amin’ny vondron’ny mpanohitra aza dia tsy mbola niteny tamin’ny fomba ofisialy ho mpanohitra. Hanamarika ny tantaram-pirenena ity hetsika anio ity satria ho hita eo raha efa vonona amin’ny fandraisana an-tanana ny ho avy politikan’ny firenena ireo tanora toy ny Afp sy Apm ary ny hafa izay izao vao tena hanandrana hiatrika vahoaka sy hiatrika mpitandro filaminana.

Henjana ny fanamby tsy maintsy hatrehan’ireo mpitarika ny hetsika anio ka voalohany amin’izany ny vahoaka. Hibaribary eo raha tena mahatarika vahoaka avokoa izy ireo. Raha ny zava-misy mantsy dia efa maro ny olona no diso fanantenana amin’ny ataon’ny mpitondra saingy kosa tsy manana fahatokisana amin’ny mpanohitra. Tsy azo lavina fa tsy marisika hiditra amin’izany tetezamita vaovao izany ny ankamaroan’ny vahoaka. Io no antony tsy mampahomby ny hetsika fidinana an-dalambe rehetra natao teto hatramin’izay. Maro ireo mimenomenona sy be vava any an-trano sy eny amin’ny tambazotram-pifandraisana saingy tsy misy sahy fa mihainohaino ny zava-misy fotsiny rehefa tena antsoina hiray hina sy haneho hevitra ankalamanjana. Miandry ny fipoahan’ny fifandonana sy ny fifanenjehana ary ny fisamborana dia mitabataba sy mimenomenona eny ambony facebook. Ny malagasy mihitsy ve no kanosa sa tsy miray hina ? Mety samy marina ireo satria efa nosaratsarahan’ny firehan-kevitra politika sy ny fiandaniana amin-tora-po ka zary tsy mahay manambatra hery intsony. Hatramin’izao mantsy dia mbola mifankahala sy mifampiandry kendry tohana hatrany ny mpomba an-dRajoelina sy Ravalomanana.

Samy miandry teboka iray tsy misy dikany mankaiza akory izy ireo hifanaratsiana sy hifandranitana. Ireo firehana roa ireo anefa dia miombon-kevitra amin’ny tsy fankasitrahana izao fitondrana mijoro izao. Sady samy mankahala ny Hvm no samy tsy mahasahy mifanandrina mivantana amin’ity antokom-panjakana ity ny mpanohana an-dRavalomanana sy Rajoelina. Tsy mahagaga raha raisin’ireo tanora mpanao politika ny andraikitra hanehoana fa manana ny zo sy adidy hiteny manoloana ny tsy mety eto amin’ny firenena ny vahoaka ary azo tampenam-bava. Ny lesoka kely ho an’ireo tanora mitarika fidinana an-dalambe fotsiny dia ny fikasan’izy ireo hanongam-panjakana amin’ny filazana fa mitaky ny fialan’ny mpitondra. Mazava ho azy fa tsy hanaiky hiala mora foana ny mpitondra ary hampiasa ny fomba rehetra hamotehana izany hetsika izany. Efa niteny ny mpitandro filaminana fa handrava ny fivorivoriana rehetra ary tsy hitsitsy sy hisambotra izay minia mandika lalàna. Dia ho lojikan’ny fifandonana toy izany foana ve izany no hiainana eto amin’ity Madagasikara ity. Amporisihina hamono tena hifandona amin’ny mpitandro filaminana mirongo fiadiana ny tanora fa ireo goaika antitra politika samy mody fanina fotsiny. Raha ny tokony ho izy dia mifanatona sy mifandamina ireo efa samy galifantsy amin’ny fanaovana politika mba hisorohana ny lojikan’ny fifandonana toy izay ahiana hitranga eny Analakely anio. Tsy misy olo-marina sy manana fahendrena hankasitraka ny hisian’ny fifandonana izany.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre