Ambatobe – Tady sisa hita tao am-piangonana
Halatra lakolosy indray no resaka eto. Tany Ambatobe Anatihazo Andramasina no nitrangan’izany. Tsy nisy lakolosy naneno tamin’ny 15 aogositra mialohan’ny lamesa fankalazana ny nampakarana an’i Masina Maria any an-danitra satria nisy nangalatra ny lakolosim-piangonana tao amin’ny eglizy katolika romana Ambatobe. Raha hisintona lakolosy vao maraina ny tompon’andraikitra dia gaga fa tady sisa nihantona tao am-piangonana. Raha ny fantatra anefa dia mbola nanaovana lamesa ny alahady io lakolosy io. Izany hoe mety ho ny alahady alina no nangalarana azy. Tsy nisy naheno ary tsy nisy nahita na nahatsikaritra ny zava-niseho rahateo ny rehetra. Efa nampilaza ny mpitandro filaminana sy ny zandary ao Andramasina ny tompon’andraikitra ka izy ireo no manao ny fanadihadiana sy ny fisakanana. Vao tsy ela akory izao no nisy ireo olona tratra nangalatra lakolosy. Nahagaga ny rehetra ny nahita ny sarin’ilay tovolahy jejojejo sy tsara fitafiana izay tsy misy ahafantarana azy ho jiolahy mihitsy. Volabe am-polony tapitrisa maro no voalaza fa anakaramana azy isaka ny lakolosy iray araka ny fanazavany sy ilay lehilahy iray hafa tratra niaraka taminy. Toy ny taolam-paty ihany, tsy fantatra mazava izay tena ao ambadik’ity halatra lakolosim-piangonana ity hatramin’izao.