Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Miandrivazo – Voaroba ny Ben’ny tanàna

Dahalo 10 lahy nirongo basim-borona no indray nanafika ny ben’ny tanànan’i Betsipolotra any amin’ny distrikan’i Miandrivazo. Lasa tamin’izany ny omby miisa 20 ka nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary. Ny ampitson’ny fanafihana dia tratra tao amin’ny fokontany Befotaka kaominina Itondy ireo mpanafika nefa tsy nanaiky nolembenana fa avy hatrany dia nanao tifitra variraraka. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka voatifitra ny zandary iray miasa ao Betsipolotra.

Teo amin’ny lohaliny havanana no niantefan’ny bala ka tsy tafatsangana izy ary voatery nentina niverina ka nalefa any amin’ny hopitalin’Ankavandra. Tafaporitsaka niaraka tamin’ny omby nangalariny ireo dahalo nefa tsy nanaiky nolembenana ny mpanara-dia fa nitohy ihany ny fanenjehana. Nandray andraikitra rahateo ny zandary avy ao Itondy ka nandefa mpitandro filaminana miisa 16 hanampy tosika ireo efa miaraka amin’ny fokonolona. Mbola tsy fantatra kosa ny tohin’ny fanarahan-dia nataon’izy ireo.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre