Ampitatafika – Nahafaty ankizy ny Brinks
Namono olona ny Brinks na ilay fiara manga sy fotsy mpitondra volan’ny banky ireny. Teny Malaza Ampitatafika no nitrangan’izany ka zazavavy vao 16 taona monja no nofaohan’ilay fiara. Araka ny tatitry ny mpitandro filaminana dia avy niala taxi-be ilay zazavavy izay saika hiampita no voafaoka avy hatrany. Nodomin’ilay fiara izy ka nipitika tany amin’ny 7 metatra ary nitontona tamin’ny sisin-dalana. Voa mafy noho izany io ankizivavy io ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly Hjra. Tsy tana kosa anefa ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Ilay fiara mpitondra vola kosa nijanona niandry ny fizahana fanaon’ny mpitandro filaminana fa tsy nitsoaka. Nisy fiara Brinks iray hafa tonga teo namindrana ny vola tao anatiny. Niteraka resa-be teny an-toerana ity lozam-pifamoivoizana ity satria iaraha-mahalala fa manana alalana handeha mafy ireny fiara mpitondra vola ireny ary tsy tokony hitaredretra mihitsy noho ny fepetra hialana amin’ny mety ho fanafihana tampoka. Iaraha-mahalala anefa ny fifamoivoizana eto amintsika ary nahafatesana olona ihany koa ilay loza ka sarotra ny hifanilika andraikitra. Raha ny fepetra noraisain’ny mpitandro filaminana moa no hampiharina dia tsy maintsy miakatra fitsarana avokoa izay mpamily rehetra mahafaty olona na inona anton’izany na inona.
Dom