Akamasoa – Zaza tsy ampy taona no namono ilay tompon’andraikitra
Voasambotry ny polisy ireo namono nahafaty ilay vehivavy tompon’andraikitry ny fikambanana Akamasoa tarihin’ny mopera Pedro. Olona miisa 3 akaiky ilay namoy ny ainy ihany ireo naiditra am-ponja ka ny 2 dia anadahin’ny maty ary ny 1 kosa dia ankizy taizany. Nalefa eny Antanimora izy roalahy ampy taona ary ilay taizany, izay tsy ampy taona kosa eny Anjanamasina. Fantatra fa lonilony no antony namonoana ity ramatoa ity izay efa nitaraina matetika fony fahavelony fa raha maty izy dia ireo no namono azy. Nisy vola mitentina 2,6 tapitrisa Ariary ihany koa very nanjavona tao an-tranony.
Marihina fa olona 33 voarohirohy no voasambotra tamin’ity raharaha ity ka ireo 3 ireo ihany no notanana am-ponja. Ny 30 ambiny kosa nahazo fahafahana vonjimaika. Raha tsiahivina dia ny sabotsy, 21 mai 2016 hifoha alahady 22 mai 2016 no nitrangana vono olona teny Mahatony Alarobia Ivandry izay tsy iza fa ilay vehivavy « filoha lefitry ny Akamasoa ». Ny alahady no hita ny fatiny teo amin’ny 30 metatra miala kely ny tranony. Tamin’ny fahitana azy dia nahitana ratra ny faritry ny lohany izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Nametraka fitoriana tao amin’ny Polisy misahana ny ady heloka bevava ny fianakaviany ny 01 jona 2016. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa olona akaiky amin’ity vehivavy ity ihany no nahavita namono azy.
Dom