Izay tsy manam-bola dia maty na jamba
Lafin’ny fahasalamana indray no tiana resahina eto. Manao hetsika goavana mihitsy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mahakasika ny zava-doza ateraky ny fijerena ny eklipsa raha tsy manao ilay solomaso voatokana. Voalaza mantsy fa tena mahajamba ny fijerena izany amin’ny maso tsy voaaro. Fantatra ihany koa fa tsy maimaim-poana ireo solomaso fa amidy amin’ny sarany Ar 1500, izany hoe mitovy vidy amin’ny vary iray kilao. Vinavinaina ho malagasy 16 tapitrisa any ho any no mila io solomaso io ary efa ampy ny isa amidy eo an-toerana. Mampametra-panontaniana ny vahoaka ihany anefa ny antony tsy nizarana fotsiny io solomaso manokana io. 16 taona lasa mantsy izay, izany hoe tamin’ny taona 2000 dia nahavita nizara solomason’ny eklipsa maimaim-poana ny fitondrana Didier Ratsiraka. Maro mihitsy aza ny olona nahazo solomaso roa na maromaro ho azy irery. Izany hoe nihoatra be ny isan’ny solomaso nafaran’ny Fanjakana nefa vitany ny nizara izany ho an’ny vahoaka. Ankehitriny kosa dia tonga ara-bakiteny amin’ilay vazivazin’ny tanora hoe izay tsy manana Ar1500 dia jamba. Tsy mbola nisy tompon’andraiki-panjakana na iray aza mantsy nilaza fa hizara maimaim-poana io solomaso io. Ny ankamaroan’ny vahoaka anefa tsy manana vola hividianana izany. Ny hanin-kohanin’ny olona aza efa manahirana koa solomaso baoritra hampiasaina ao anatin’ny minisitra vitsy no andeha handaniam-bola! Bizina be ho an’izay orinasa nomena alalana hanamboatra sy hivarotra ny solomaso fotsiny ny zava-misy satria heverina ho misy ny tombony azon’izy ireo amin’izany. Tsy misy mpivarotra hivarotra maimaim-poana tsy misy tambiny ireo solomaso ireo mihitsy eto. Tany Mahajanga aza dia efa fantatra sahady fa nalain’ny karana ambongadiny sahady ny solomaso rehetra.
Tsy resaka solomaso ihany fa ny lafin’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy mandeha amin’izay laoniny eto Madagasikara. Resa-be fotsiny hoe maimaipoana fa na dia eny amin’ny dispansera aza ny olona dia ampandoavina latsakemboka. Ny vidin’ny fanafody sy ny karaman’ireo manam-pahaizana manokana eny amin’ny hopitaly moa dia efa tsy resahina intsony. Mahagaga mihitsy ny antony hampandoavana vola ny olona rehefa mijery ireo dokotera manam-pahaizana manokana izay miasa eo amin’ny hopitaly ; mampaisa ny birao sy ny fitaovan’ny hopitaly. Angaha moa tsy ny Fanjakana no manakarama azy ireny isam-bolana no dia voatery mandoa vola hatrany ny vahoaka? Na tsy misy fitaovana hampiasaina aza fa fizahana tsotra fotsiny dia efa tsy latsaka ny Ar 10000 ny vola aloa. Eto Madagasikara izany dia mbola miaina amin’ilay hoe izay tsy manam-bola maty. Ny fahantrana sy ny tsy fanana no mahatonga ny olona manatona toeram-pitsaboana miankina amin’ny Fanjakana vao maika anefa betsaka lavitra ny vola aloan’izy ireo eny amin’ireny toerana ireny.
Sasa-poana ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana hopitaly sy fanomezana fitaovam-pitsaboana etsy sy eroa raha toa ka tsy misy fanatsarana ny fomba fiasan’ny mpitsabo. Mila fizaham-pahasalamana maimaimpoana sy fanafody tsy andoavam-bola ny vahoaka satria tsy manam-bola hitsaboana tena. Raha manana vola Ar 10 000 haloa amin’ny manam-pahaizana manokana eny amin’ny hopitaly ny mahantra aleony tonga dia mividy fanafody manao dokotera tenany. Tena miasa mihitsy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka saingy hita fa mbola tsy mahafeno ny filan’ny mponina ny vokatra omeny. Fitsaboana maimaim-poana izao no ilaina nefa ny fitondram-panjakana toa tsy manao laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa sy fitadiavana mpiara-miombon’antoka mba hahazoana fanafody maimaimpoana ho an’ireo olona mila fitsaboana na fandidiana maika nefa tsy manam-bola homena ny dokotera sy hividianana fanafody. Izay marary ka tsy manam-bola eto dia efa miandry fahafatesana e.
Ravalo tsy Manana