Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Ambararatabe – Notifirin’ny dahalo ny tompon’omby

Tsy vitan’ny nandroba fa mbola namono olona ihany koa ireo dahalo. Miisa 10 izy ireo  no tonga masika tao an-tanana ary nivatravatra fiavy tamin’ny famoahana basy. Tsy nisy sahy nikofoka ny iray tanàna ka nanao izay danin’ny kibony tamin’ny fandraofana ny omby ireo mpanafika. Tsy voafaritra mazava ny isan’ny omby lasan’izy ireo fa ny fantatra kosa dia nalefa mialoha ireo biby ary nizara roa ireo dahalo. Ny sasany nandroaka ny omby hivoaka ny tanàna ary ny sasany kosa nijanona tao an-toerana ihany, nandrahona ny fokonolona tsy hanara-dia. Tsy nionona tamin’izany anefa ireo jiolahy fa mbola niditra tao an-tranon’olona izay anisan’ny notafihiny ka nitifitra. Maty tamin’izany ny tompon-trano. Rehefa lasa tanteraka ireo malaso dia niantso mpitandro filaminana ny fokonolona ka nanao ny fanarahan-dia. Teo vao fantatra fa omby 20 no very ka ny 19 dia tafaverina amin’ny tompony ary ny iray kosa novonoin’ireo dahalo.

Raha ny fijerin’ny mponina azy dia karazan’ny miharo valifaty ihany ity fanafihan-dahalo tany an-toerana ity. Io no antony heverina ho namonoan’ireo malaso ilay lehilahy iray. Araka ny fanazavan’ny mponina mipetraka any amin’ny faritra be asan-dahalo mantsy dia efa kolontsaina fampisehoan-kery ho an’ny vatan-dehilahy ny halatr’omby. Lasa mifangaro amin’ny asan-jiolahy sy valifaty izany any aoriana ka izay no tena mampirongatra azy. Misy rahateo ny fifaninanana eo amin’ireo samy hafa fihaviana ka tsy mionona amin’ny halatra intsony ny dahalo fa lasa miroso amin’ny vono olona ihany koa.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre