Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Ambatolaona – Trano 7 niara-vaky

Trano miisa 7 no indray novakian’ny jiolahy tany Ambatolaona Mantasoa. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny lehiben’ny borigadin’ny zandarimaria raha vao nahare izany ka nahita ifotony fa tena voaroba tokoa ireo trano ireo. Nampandre ny mpitandro filaminana ao Ambatolaona izy mba hanao ny sakana rehetra ka tra-tehaka ny lehilahy miisa 4 nitondra fitaovana famakian-trano sy ireo entana very. Teo amin’ny 100 metatra tsy hiditra an’Ambatolaona no nahatratrarana ireo jiolahy raha tany amin’ny fokontany Andrefan’Ivorona kosa no nisian’ilay vakitrano. Hay tamin’ny loharanom-baovao ihany koa fa mpiambina iray no nodarohan’ireo jiolahy ka naratra mafy. Ny borigadin’i Mantasoa no manao ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Raha ny tsikaritra dia mateti-pitranga ny fanafihana mitondra sabatra tato ho ato. Vao tsy ela ihany koa mantsy teny Ampatsy Soamanandrariny no nisy jiolahy miisa 6 niditra an-keriny tao an-tranon’olona. Lasan’izy ireo tamin’izany ny milina fanjairana sy ny kojakojan-dakozia samihafa. Ankoatra ny fanafihan-jiolahy mahery vaika mitam-basy izany dia efa miroso tsikelikely amin’ny fampiasana sabatra ihany koa ireo mpanao halabotry. Hatramin’ny fisoko avy no vakian’izy ireo ; toy ilay tranga nahaverezana akoho miisa 4 teny Tsarahonenana vao tsy ela akory izay.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre