Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Andoharanofotsy – Lehilahy iray indray no matin’ny toaka

Maty an-tatatra ka ny maraina vao nisy nahita. Io ny niafaran’ny lehilahy iray teny mahalavolona Andoharanofotsy. Rehefa nanao ny fizahana ny razany ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo dia nilaza fa ny toaka nosotroiny sy ny hatsiaka no nahafaty io olona io. Tsy vao sambany no nisy toy izao fa tao anatin’ny iray volana mahery dia tsy latsaka ny 5 ny olona re fa matin’ny toaka. Ho an’ny renivohitra sy ny manodidina fotsiny dia nisy lehilahy iray matin’ny alikaola nosotroiny teny Tsarahonenana. Nisy vaviantitra ihany koa tsy nifoha intsony rehefa mamo be nandritra ny alina teny Andoharanofotsy. Io indray fa nisy lehilahy maty an-tatatra. Efa maro ny miahiahy fa sao dia misy akora mahafaty any anatin’ny toaka gasy sy ireo toaka amidy an-tsinjarany nefa hatramin’izao tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny minisiteran’ny varotra ary ny mpitandro filaminana mba hanaporofoana izany. Hatreto aloha dia ny polisy no efa nandray andraikitra amin’ny fanakatonana ireo toerana fivarotan-toaka aorian’ny amin’ny 9 ora alina toy ny efa natao teny Ambohipo. Tsy mbola nisy kosa ny fisavana natao ho an’ireo heverina ho mpivarotra toaka gasy.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre